Astronomia Dia Mety Nahatrarana Ny Laingan'i Rosia Momba Ny Fitsofohana Antsokosokon'i Okraina ao Krimea

Image adapted from Georges Méliès' famous film, Le voyage dans la Lune.

Sary namboarina avy amin'ny filma malaza an'i Georges Méliès, Le voyage dans la Lune.

Mety ho nandefa ho hitam-bahoaka porofo hosoka navoakan'ny Servisim-Piarovana Federaly (FSB) ny fahitalavi-panjakana rosiana amin'ilay lazaina ho fahitana fanafenam-pitaovam-piadian'ny “saboteurs” (mpanimba) nolazain'i Kremlin fa nalefan'ny governemanta Okrainiana ho any Krimea. (notsipahan'i Kyiv izany fiampangana izany.)

Tamin'ny 10 aogositra ny fantsona fahitalavi-panjakana voalohany rosiana nandefa sombim-baovao miaraka amin'ny sary avy amin'ny FSB nolazaina fa mamelabelatra ny vokatry ny hetsika manokana nataon'ny polisy federaly tamin'ny 8 aogositra: fahitana fitaovana mipoaka ampolony, vanja milevina, ary bala heverina fa nafenin'ny mpitsikilo okrainiana. Taoriana kelin'izany nandritra ny fampitan-tsary, nisy ny fijerena tsipalotra ny lanitra Krimeana ahitana ny diavolana fenomanana. Sasha Andreeva, bilaogera iray monina ao Moskoa no nanoritra fa tsy mety ho azo nalaina taorian'ny 21 jolay io sarivolana tao amin'ny sehatra io—fa izany no fotoana farany nisy diavolana tao amin'ny ilabolantany avaratra.

124593_original

Ny diavolana ambonin'i Krimea, saingy tamin'ny oviana? Saripika: Fantsona Voalohany

Tamin'ny fanoratana tao amin'ny Facebook, i Sergei Parkhomenko mpanao gazety no nizara ny tsikaritr'i Andreeva ary nampiany fa nametraka porofo sandoka iampangana an'i Nadiya Savchenko, Okraniana mpanamory, nandritra ny fitsarana azy tao Rosia ireo Rosiana mpanao famotorana. “Mila mampianatra astironomia ireo akademian'ny FSB,” hoy ny hanihaniny, milaza ny fikarohana nataon'ny mpanao gazety mpanadihady misokatra loharanom-baovao ao amin'ny Ekipam-panarahamaso miafina Fifandirana, izay manolo-kevitra fa mifanipaka tanteraka amin'ny lazain'ny fampanoavana ka manaisotra ny mahameloka azy ny aloky ny hazo ao aoriana amin'ny lahatsary nahazoana ny sarin'i Savchenko.

moons

Ankavia: ny volana ambonin'i Krimea tamin'ny 8 Aogositra, ny andro lazaina ho nisian'ny fitsofohan'ny mpampihorohoro. Ankavanana: Ny diavolana farany nany amin'ny ilabolantany avaratra, tamin'ny 21 jolay. Sary: Moonconnection.com.

Ny zavatra iray tsy mazava tsara tamin'ny tatitry ny Fantsona voalohany momba ny tatitra an'i Krimea dia hoe sehatra nalaina tamin'ny bemidina manokana nataon'ny FSB hetsika ve ny nakana sary ny volana, sa tahirin-tsarin'ny saikanosy fotsiny. Fa raha amin'iy farany ity dia mety ho nitsambikina tamin'ny fehinteny i Andreeva sy i Parkhomenko.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.