Nandritra ny tolona maneran-tany tany amin'ny tanàna 1000 sy firenena 82 tamin'ny 15 Oktobra lasa teo, nivondrona teo ambany teny filamatra iray ny olona “Miombona ho an'ny fanovàna maneran-tany” mba hitaky ny zony sy demokrasia marina. Nitobatobaka tamin'ny aterineto ireo antso amin'ny alalan'ny lahatsary [es] nataon'ireo olom-pirenena an'arivony izay mitsipaka ny politikan'ny sakantsakana ara-sosialy sy ny filavoana lefon'ny governemanta manoloana ny tsena sy ireo orinasa ara-pitantanam-bola
@democraciareal ¿Piensas quedarte en casa y leer lo que ha sucedido en los libros de historia? ¿o quieres ser partícipe y vivirlo? # yosalgo15O #15Oready
Raha ny momba an'i Espana manokana, somary lava ihany ny lisitr'ireo toeram-pivoriana, araka ny hita amin'ity sary manaraka ity:
Any amin'ireo tanàna voalohany any amin'ny firenena, maro dia maro ireo olona tonga, nahatratra 500 000 tany Madrid ary 350 000 tany Barcelone. Rakotra peta-drindrina, fanehoan-kevitra ary olona tezitra noho ireo lalàna “neolibéral” ny làlan'ireo tanàna voalaza ireo. Samy natao tam-pilaminana ireo fihetsiketsehana ireo ary nampitombo ny fahatsapana fiombonana ho an'ny fanovàna maneran-tany ireo toerana, fiovàna fomba fisainana.
Ny media mpifikitra amin'ny nentin-drazana indrindra any amin'ny firenena, izay nanome vaovao diso tamin'ireo mpamaky hatramin'izay nanombohan'ny hetsika #15O, dia nidina an-dalam-be niaraka tamin'ity pejy fanolorana ity:
@MikelSB Acabo de ver la portada de #ABCbit.ly/nAqieS ¡Lamentable manipulación! Sacan la única manifestación con incidentes del #15o
Ny talen'ny El Mundo [es], Pedro J. Ramírez, dia nanao fanangonan-kevitra tao amin'ny Twitter izay manontany ny toerana tian'ny media mpifikitra amin'ny nentin-drazana omena ny hetsika maneran-tany ho amin'ny fanovàna; na apetrany any amin'ny farany ankavia ny 15M, na lazainy fa mahery setra, na tena manao tsinontsinona tanteraka ireo olona an'arivony nidina an-dalam-be.
@pedroj_ramirez Q opináis? a) El 15M generará nuevo partido de izdas. b) El 15M derivará en violencia antiRajoy. c) El 15M seguirá lúdico e irrelevante.
Araka ny hita ao amin'ireo pejy fanolorana ny ampitson'iny, 16 Oktobra [es], tsy ny gazety rehetra no mitovy lohateny lehibe na manivana ny vaovao araka izay azony atao, tahaka ireo notanisaina tetsy aloha.