Libia: Ny Marina Momba Ny Fahafatesan'i Gaddafi

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Fikomiana Libia 2011 ity lahatsoratra ity.

Nandritra ny 42 taona, nitondra an'i Libia tamin'ny fomba henjana i Muammar Gaddafi. Nandeha teny ny taona, nanitsaka ny mpanohitra izy, namafa ny mpanohitra tany an-toerana sy nanjaka avy ao Tripoli toy ny mpanjaka ambonin'ny Mpanjakan'i Afrika.

Ny 16 Febroary 2011, nanomboka nihetsika nanohitra ny jadony ry zareo Libiana. Roa volana lasa izay, afaka ny renivihitr'i Tripoli, ary androany, Mifety i Libia iray manontolo satria lavo ny toeram-pamaharana mafy fotrotr'i Gaddafi, Sirte ary, na ny tenany voasambotra dia novonoina, na novonoina dia voasambotra. Mbola manjavozavo ny antony nahatonga ny fahafatesany, sady vitsy no mifanipaka ireo andinindininy.

Ao amin'ny Twitter, miezaka mamerina manangana ny antony nahafaty azy ireo mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy.

Free Misrata dia namoaka ity lahatsary ity ao amin'ny YouTube, mampiseho an'i Gaddafi velona, voahodidina mpiady ho an'ny fahafahana, mientanentana:

Evan Hill ao amin'ny Al Jazeera dia manontany:

@evanchill: Koa raha namono an'i Gaddafi taorian'ny nisamboran'izy ireo azy velona ireo mpiady NTC, inona no fihetseham-ponao?

Ary mametra-panontaniana ihany koa amin'ireo ratran'i Gaddafi izay navoaka tamin'ny fahitalavitra:

@evanchill: Ny ratra tamin'ny lohan'i Gaddafi dia mety ho avy amin'ny daroka, fa tsy avy amin'ny fitifirana. Tena sarotra ny milaza izany.

Blake Hounshell ao amin'ny Foreign Policy ihany koa dia manana fanontaniana marobe. Eto izy dia manontany:

@blakehounshell: Fanamelohana ho faty? RT @halibrahim: Ny sarin'ny vatan'i #Gadhafi iray tsara kokoa izay mampiseho ny bala ao anaty lohany #Libya.

Ary manazava izy:

@blakehounshell: Ity lahatsary vaovao izay vao navoakako ity dia mampiseho mazava tsara ny fiara mpamonjy aina teo amin'ny manodidina; tsy mampiseho ny famonoana raha ohatra ka nisy izany.

Ary dia manontany indray izy:

@blakehounshell: Araka izany, misy ampahana lahatsary izay mampiseho an'i Qaddafi voatifitra eo amin'ny lohany ve any?

I Hala Gorani ao amin'ny CNN ihany koa dia manana fanontaniana, anisan'izany ny :

@HalaGorani: Voasambotra velona, naratra ve i Gaddafi ary avy eo dia novonoina sa matin'ny ratrany? Tsy mazava tsara raha araka ireo lahatsary izay hitantsika hatreto. #Libya.

Ao amin'ny Twitter, maro ihany koa ireo nihetsi-po amin'ny fampirantiana ny vatana mangatsiakan'i Gaddafi tamin'ny fahitalavitra.

iRevolt na Roqayah dia manamarika:

@iRevolt: Zavatra iray ny fanehoana hafaliana tamin'ny fanjerana, fanesorana, sns mpanao didy jadona iray; ny fanodinana ny fahafatesana ho fety firavoravoana itsinjahana manodidina faty mitsiatra iray dia zavatra hafa mihitsy.

Ary ilay Ejiptiana Mosa'ab Elshamy dia mitsikera:

@mosaaberizing: Ny olona fatra-mpandàla ny fahalavorariana, indrindra fa ny Arabo, tsy mahatanty mahita vatan'ny iray amin'ireo mpanao didy jadona tena tsy mendrika indrindra eo amin'ny faritra, “ajananony t**** any”

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny  Fikomiana Libia 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.