Global Voices Rosiana Miara-miasa Amin'ny Neweurasia.net

Faly izahay mampilaza ny fiaraha-miasa ny  Global Voices  Rosiana miaraka amin'ny Neweurasia.net, iray amin'ireo sehatry ny valantserasera lehibe indrindra ao Azia Afovoany, izay manana mpihaino Anglisy sy Rosiana marobe.

Miompana manokana amin'ny vaovao sy fanadihadiana nataon'ny tanora avy ao an-toerana ny Neweurasia. Manazava bebe kokoa ny vaovao tsy voatantara tsara ny tranokala ary manolotra sehatra ho an'ny tanora sy ny tia karokaroka mba ahafahan'izy maneho hevitra. Noforonina tamin'ny taona 2005 izany, raha niray hampandroso ny sehatry ny bilaogy ny mpikatroka an-tserasera mba ahafahana mamoaka vaovao haingana sy mivantana.

Tsara tokoa ny manamarika fa iray amin'ireo mpamorona ny sehatra ihany koa ny mpanoratra ao amin'ny Global Voices, Ben Paarman. Androany, rakotra bilaogera avy amin'ny firenena 5 ao Azia Afovoany ny tranonkala (Kazakhstan, Kyrgyzstan, Tajikistan, Turkmenistan ary Uzbekistan), izay samy nizara tantaram-piainana mahavariana, fahombiazana ary fanamby ao amin'ny firenena.

Mba hanomezana lanja izany rehetra izany, hita tokoa fa dingana lojika ny fiaraha-miasa eo amin'ny Global Voices sy Neweurasia.net, amin'ny zavatra sahanin'ny roa tonta sy ny tanjona mitovy izay tratrarin'izy ireo. Faly tanteraka izahay hanomboka ny fiarahamiasanay miaraka amin'ny sehatry ny valantserasera iray mahatalanjona sy malaza mikasika ny faritra Azia Afovoany.

Natomboka tamin'ny fifanakalozana ny fango-nay [logo] ny fiarahamiasa. Mety efa hitanao sahady ny fangon'ny Neweurasia ao amin'ny Global Voices Rosiana sy ny fangonay mipetraka eo amin'ny Neweurasia teny rosiana, izay midika fa misokatra tanteraka ho an'ny mpamaky Rosiana ny Global Voices. Misokatra hatrany koa ny roa tonta ary tsy manavaka fiarahamiasa hafa izay  mety hisy any aoriana any.

Mankasitraka indrindra ireo olona tsy nikely soroka tamin'ny fanatontosana ity fiarahamiasa ity. Araka izany, “fisaorana lehibe” ho an'i Oliver Dams, talen'ny tetikasa no sady talen'ny ara-teknikan'ny Neweurasia.net ary iray tamin'ireo mpanorina ny tranonkala, ho an'i Yelena Jetpyspaeva, tompon'andraikitra ao amin'ny valantserasera Neweurasia.net, noho ny fihainony sy ny hevi-baovao avy aminy.

Manolotra fisaorana ho an'ny  ekipan'ny Global Voices Rosiana ihany koa izahay, ireo mpanoratra sy mpandika teny, tamin'ny lahatsoratra navoakany sy ny fanampiany ka nahatonga ny mpamaky Rosiana ho liana tamin'ny tranonkala.

 

 

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.