Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2015
“Diaben'ny Vahoaka” Alohan'ny Zaikaben'ny Mpitondra Rezionaly Ataon'ireo Mpikatroka ao Azia Atsimo Atsinanana
Mpikatroka sy mpitarika maherin'ny 1000 avy amina fikambanana fiarahamonim-pirenena manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana no nanambara ny heviny mikasika ny toetry ny zon'olombelona sy ny fitomboan'ny hantsana ara-toekarena.
Nohon'ny Famoahana ‘Tsiambaratelom-Panjakana’, Nogadrain'i Shina i Gao Yu, Mpanao Gazety Malaza
Nogadraina fito taona izy noho ny nanaovany tatitra momba ny torolàlana ho an'ny Antoko Kaominista izay mitanisa "zavatra fito tsy azo resahana" ho an'ireo mpampianatra eny amin'ny Oniversite, sy fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ary ireo hadisoana fahiny vitan'ny antoko
Manasongadina Ny Antontanisan'ny Voina Ao Yemen Ny Sarin'ny Loza Ao Yemen
Tamin'ny alalan'ny diezy Twitter #YemenInNumbers, nampiseho tamin'ny fomba vaovao ny loza ao Yemen tamin'ny alalan'ny sary tsotra sy manintona ny maso i Ruba Aleryani, mpianatra Yemenita ao amin'ny Oniversite Brown
Maka Hetsika Maroloko Ilay Taombaovaon'i Bengali Manohitra Ny Fironana Mahery Fihetsika Ara-pinoana Ao Bengladesh
Tao anatin'ireo fetibe firavoravoana ho fankalazana ny Taombaovao Bengali tao Bengladesh ny hafatra iray mafonja "mandrehitra hazavana maro anatin'ny haizin'ny fo," mba hahatsiarovana ireo bilaogera sy mpikatroka mafàna fo nisy namono tsy ela akory izay.