· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Marsa, 2012

Arabia Saodita : Fibitsihana Ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina Ataon'i AlBajady

Nanambatra ny heriny ireo Saodiana mpampiasa aterineto ny alin'ny 04 Martsa 2012 mba hibitsika momba ny zava-nanjo an'i Mohammed Albajady, Saodiana iray 34- taona, mafàna fo izay nogadraina herintaona noho ny vesatra sy fitsarana mitanila, ary nanao fitokonana tsy hihinan-kanina efa ho tapa-bolana ho fanoherany ny fiazonana azy. Mona Kareem no mametrapetraka ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra teny anaty aterineto.

Voaheloka Ho Nanitsakitsaka Ny Zon'olombelona Nanoloana Ireo Mpitsoa-ponenana Afrikana i Italia

  05 Marsa 2012

Ny 23 febroary, didim-pitsarana manan-tantara no navoakan'ny mpikambana ao amin'ny fitsarana eraopeana momba ny zon'olombelona manana ny foibeny ao tamin'ny nanamelohany an'i Italia tsy nisy nandà noho ny fisamborana sy famerenana ireo mpitsoa-ponenana avy any atsimon'i Sahara, izay manitsakitsaka tanteraka ireo fifanekena sy fifanarahana iraisam-pirenena izay nosoniavin'i Italie

Maoritania: Manomboka Ny Diaben'ny Fanantenana Farany

  04 Marsa 2012

Nanomboka ny dia an-tongotra 470 km ny mpikatroka Maoritanianahitondra fitakiana ara-toekarena sy ara-politika maromaro amin'ny manampahefana. Antsoina hoe Diaben'ny Fanantenana Farany ary kendrena avy amin'izany ny ijerena ny fanirian'ny Maoritaniana sy ny isian'ny fanavaozana ara-drafitra

Lahatsary Misongadina: Fiarovana Ny Zon'Olombelona

  03 Marsa 2012

Andian-dahatsary mahaliana sy vao haingana nataon'ny Global Voices ho fiarovana ny zon'olombelona ka tafiditra amin'izany ny zon'ny vazimba teratany sy ny vaovao faramparany avy any Amerika Latina, Azia Atsinanana, Eoropa Andrefana ary Afrika atsimon'i Sahara izay nofantenin'i Juliana Rincón Parra.

Liberia: Miparitaka Ilay Volavolan-dalàna “Vonoy Ny Pelaka”

  01 Marsa 2012

Nampahafantatra volavolan-dalàna iray izay mametraka ny fifanambadian'olona ho azo ampiharana ny sazy fanamelohana ho faty ny Vadin'ny Filoham-pirenena Liberiana Teo aloha Jewel Howard Taylor. i Jewel Howard Taylor dia loholona no sady Vady nisarahan'ilay filoha teo aloha Charles Taylor. Namerina nametraka volavolan-dalàna iray tahaka izay ary manohitra ny fifanambadian'olona mitovy, niteraka resabe, ihany koa i Oganda vao haingana izay. Fihoàrana ny lalàna ny fifanambadian'olona mitovy any aminà firenena Afrikana 38