Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2014

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Febroary, 2014

15 Febroary 2014

Rehefa Tsy Mandray Andraikitra Ny Polisy Dia Miditra An-Tsehatra Ny Olon-Tsotra Tia Mampita Vaovao

Nandray ny raharaha ny olon-tsotra tia mampita vaovao rehefa tsy nanao famotorana tamin'ny famonoana ilay tanora 21 taona antsoina hoe Babaousmail Azzedine ny polisy alzeriana. Mitatitra i Abdou Semmar.

13 Febroary 2014

Mpikatroka Breziliana Miady Amin'ny Fanaraha-maso Faobe

GV Mpisolovava

Satria mivondrona izao tontolo izao mba hanohitra ny fanarahamaso faobe amin'ny 11 febroary 2014, olom-pirenena, fikambanana sy vondrona Breziliana no miara-mientana amin'ny hetsika #TheDayWeFightBack

12 Febroary 2014

11 Febroary: Tsipahin'ny Aterineto Ny Fanaraha-maso Faobe

GV Mpisolovava

Amin'ny 11 Febroary, hiara-hientana ny olona manerana izao tontolo izao mba hanohitra ny fanarahamaso faobe. Afaka mandray anjara avokoa ny tsirairay na aiza na aiza toerana misy --na eny an-dalana na ao amin'ny aterineto.

05 Febroary 2014

Ireo Ankizy Mpanakanto Ao Amin'ny Tobim-pialokalofana “Colors from the Zaatari”

Nampiseho ny maha-mpanakanto azy ireo ankizy Syriana ao amin'ny tobim-pialokalofana any Zaatari any amin'ny sisin-tany iraisan'i Syria sy Jordania, hoy ny Syria Untold.

03 Febroary 2014

GV Face: Ny Media Sosialy Sy Ny Fisongadinan'ny Antoko Aam Aadmi

GV Face

"Mangataka fandraisan'andraikitra ny Indiana ankehitriny." Amin'ny fandaharam-potoanantsika Hangout isan-kerinandro amin'ity Zoma ity, hiresaka momba ny andraikitry ny fampahalalam-baovao an'olo-tsotra manoloana ny fisongadinan'ny antoko Aam Aadmi ao India isika.

Olon'ny Tantara An-Tsary ‘Meena’ Nanova Ny Fomba Fijery ny Zazavavy Tao Azia Atsimo

"Hatramin'ny nanombohany 14 taona lasa izay dia nasehony tamin'ny zazavavy an-tapitrisany maro ny zavatra azo tontosaina hatramin'ny farany. "

01 Febroary 2014

Nahazo Ny Fon'ny Maro Ny Antoko Aam Aadmi Ao Inde Ary Nanangana Governemanta Ao Delhi

"Hafahafa ny mahita ireo fihetsika misavoritaka mitranga amin'izao fotoana any an-damosin'ieo antoko politika efa tranainy taorian'ny nahaterahan'ny #AAP ".