Nahazo Ny Fon'ny Maro Ny Antoko Aam Aadmi Ao Inde Ary Nanangana Governemanta Ao Delhi

I Arvind Kerjiwal, mpitarika ny antoko Aam Aadmi Party, mikabary eo anoloan'ny vahoaka. Sary nalain'i Rohit Gautam. Fizakàmanana Demotix (10/6/2013)
Namoaka rivo-baovao teo amin'ny sehatry ny politika ilay antoko politika vaovao, Aam Admi Party, nanamafy ny fanohanany an'ireo mpikambana ao amin'ny Kaongresy Nasionaly Indiana mba hanangana governemanta.
Ny Aam Admi Party (Common Man's Party, nafohezina hoe: AAP), izay tarihan'i Arvind Kejriwal, mpiady amin'ny kolikoly, no lasa faharoa amin'ireo antoko lehibe indrindra tao anatin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka tao Delhi ny 4 Desambra 2013, nitàna toeran'ny mpanimba ny Indian National Congress izay naka ny laharana fahatelo ary namarana ny 15 taonan'ny nifehezany ny governemanta tao Delhi.
Taorian'ny tsy nahombiazan'ny ezaka voalohany hananganana governemanta, dia nanokatra ny làlana ho an'ny AAP ny fanohanan'ny Indian National Congress’ ka nahazoany toerana miisa 36 amin'ireo maro an'isa ao amin'ny Antenimiera ao Delhi. Teo amin'ny faha 45 taonany i Kejriwal no lasa Lehiben'ny Minisitra tao Delhi ary nangataka folo andro hamoronana rafitra iray hamahàna ny olan'ireo vahoaka ao Delhi.
Fifidianana iray fitspàna ny fitokisana tao amin'ny tranoben'ny Antenimiera natao ny 2 Janoary 2014, niaraka tamin'ny mpikambana miisa 28 avy ao amin'ny antoko AAP, ireo mpikambana miisa fito avy ao amin'ny Kaongresy, mpikambana iray avy ao amin'ny JD(U) MLA ary iray tsy miankina mpomba azy, no tompon'ny teny farany momba an'i Kejriwal sy ny antokony. Talohan'ny fifidianana dia nitondra ny raharaha hoan’ny antoko AAP sy ny Common man tamin'ny alalan'ny kabary i Kejriwal:
Iza no atao hoe aam aadmi? Mieritreritra ny AAP fa ny manana fari-piainana antonony dia ampahany amin'ny aam aadmi, ka na iza na iza reraka amin'ity fitondrana tsy misy ilàna azy ity dia aam aadmi.
Namaky aho hoe nisy olona roa matin'ny hatsiaka tao Delhi. Antapitrisany maro no lany taorian'ny fahaleovantena ary angamba mety ho azo nosorohana io raha nolaniana araka ny tokony ho izy ny vola. Fa nankaiza daholo ary ny vola e? Mba tian'ny aam aadmi ho fantatra. Tsy maintsy ekentsika fa lasa resaka heloka bevava ny politika eto amin'ity firenena ity.
Nitarika resabe tsy misy ohatr'izany tao amin'ny Twitter ilay kabary:
Moved to tears with #arvind kejriwals speech. I promise today to vote for #aap and support them in any way I can. Damn all other partys
— kunal kohli (@kunalkohli) January 2, 2014
Latsa-dranomaso tamin'ny kabarin'i #arvind kejriwals. Manome toky aho androany fa hifidy #aap ary hanohana azy ireo amin'ny fomba rehetra. Manameloka ireo antoko hafa rehetra
watched Arvind Kerjriwal's speech. 2014 is looking more lively. hoping for a better india. #AAP
— mohammed hisham CG (@hishamcg) January 2, 2014
Raha jerena ny kabarin'i Arvind Kerjriwal. Hita ho azo iainana kokoa ny taona 2014. Maniry India tsaratsara kokoa. #AAP
Aamir Khan on NDTV, other parties used to say give us ur vote we will rule you, Arvind kejriwal say give us vote and I will let u rule.#AAP
— ARJUN GROVER (@ArjunGrover4u) January 2, 2014
I Aamir Khan ao amin'ny NDTV, matetika ny antoko hafa no milaza hoe omeo anay ny vatonareo dia izahay no hitondra anareo, Arvind kejriwal kosa milaza hoe omeo anay ny vatonareo ary avelanay hitondra ianareo.#AAP
Strange to see jitters are running down the spine of traditional political parties after the advent of #AAP. #BJP & #Congress. #India
— Kumar Manish (@kumarmanish9) January 2, 2014
Hafahafa ny mahita ireo fihetsika misavoritaka mitranga amin'izao fotoana any an-damosin'ieo antoko politika efa tranainy taorian'ny nahaterahan'ny #AAP. #BJP & #Congress. #India
To all young n old ctzns of India : Honestly, ask urself if u ever heard such issues raised in assembly post independence #aap @Riczb
— rajesh (@rkpolasa) January 2, 2014
Ho an'ireo olom-pirenena tanora sy efa zokiny ao India: manontania tena amim-pahatsorana raha efa nandre olana tahaka izany nentina tamin'ny lahatsoratra manokan'ny antenimiera toy izao ianareo #aap @Riczb
People are showing interest in politics than cricket because of #AAP! pic.twitter.com/Z7rQxEeU8W
— Kapil (@kapsology) January 2, 2014
Maneho fahalinana kokoa amin'ny politika ny olona raha mitaha amin'ny cricket noho ny #AAP! pic.twitter.com/Z7rQxEeU8W
#2014WillBring something new in politics history because of #AAP !!
— Bathroom singer (@pradeeptamilan) January 2, 2014
#2014Hitondra zava-baovao eo amin'ny tontolon'ny politika noho ny #AAP !!
Kanefa mampahatsiahy ny fanambaran'ny AAP tamin'ny 10 Desambra i Shamit Manchanda ho tsy haka na hanitatra ny fanohanana ny BJP na ny Kongresy izy satria hoe nisy antoko vaovao niorina ho safidy iray ho azy ireo:
Have been an #AAP supporter. What irks, pre-election they declared they will not take /give support to BJP/Cong Why did they betray my trust
— Shamit Manchanda (@shamit) January 2, 2014
Efa mpanohana ny #AAP aho. Ny manorisory, nambarany mialohan'ny fifidianana fa tsy haka /hanome tohana ny BJP/Cong ry zareo, Nahoana no nivadi-pitokisana tamiko izy ireo
Nikatsaka ny hevitry ny vahoaka ny AAP taorian'ny nanohanan'ny kongresy ireo teboka efa ho 18 avy aminy sy nanomezany tolotra ho fanohanany ny fananganana governemanta ary nahazo valiny mahafa-po. “Tsy antoko izahay fa solontenan'ny vahoaka” hoy ity antoko ity. Tao anatin'ny telo herinandro nisesy izao, no voalaza ho nahazoan'ny AAP mpikambana vaovao miisa 500.000 ary birao miisa 300 manodidina an'i India ary ikendreny ireo fifidianana manerana ny firenena amin'ny fifidianana Lokshava 2014.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...