Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2012

15 Mey 2012

Gresy: Mitombo Ny Herisetra Ataon'ny Polisy Amin'ireo Mpifindra Monina

Ambony ambany ny media sosialy Grika taorian'ny lahatsary iray nakarina tao amin'ny Facebook sy Twitter, nampiseho ireo manampahefana avy amin'ny polisy nanao tsinontsinona ampahibe-maso mpifindra-monina iray voatàna am-ponja tao an-tanànan'i Athenes.. Mihanaka ao Gresy ny herisetra noho ny fanavakavahana sady amin'ny taha mampivarahontsana tato anatin'ny taona vitsy, raha mbola miantona...

11 Mey 2012

Bolivia: Fampandrosoana Misanda Ohatrinona? Fifandirana Momba Ny Lalana TIPNIS

Mbola niteraka fifandirana sy hetsi-panoherana indray ny tetikasa fanamboaran-dalana ao Bolivia izay manavatsava ny Faritanin'ny vazimba teratany sady valan-java-boarim-pirenena Isiboro Sécure (TIPNIS amin'ny teny espaniola)

09 Mey 2012

Shina: Voasambotra Ilay Vehivavy Mahery Fo Tao Ambadik'ilay Fitsoahan'i Chen Guangcheng

Voasambotra i He Peirong, Shinoa iray mafana fo nanampy an'ilay jamba mafana fo amin'ny zon'olombelona sady mpisolovava, Chen Guangcheng hitsoaka ny fanaraha-maso akaiky azy.

07 Mey 2012

Palestina: Fitokonana Faobe Tsy Hihinan-kanina Ataon'ireo Voafonja

Nanomboka fitokonana tsy hihinan-kanina mandritra ny fotoana tsy voafetra ireo gadra Paletsiniana ny 17 Aprily teo mba hanoherany ny fepetra fihazonana any amin'ireo fonja Israeliana. Ilay natomboka tany am-boalohany ho toy ny hetsi-panoheran'olom-bitsy no nitombo amin'izao fotoana ka lasa misy mpandray anjara an'arivony.

Kiobà: Aiza Ny Fahalalahan'ny Fanaovan-Gazety?

Andron'ny Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny andro androany (3 Mey 2012) – saingy eo amin'ny tontolon'ny bilaogy ao Karaiba, mpamahana bolongana vitsy an'isa no hany mba naneho hevitra mikasika ny lohahevitra. Nandefa vaovao mikasika izany andro izany ny Notes from the Cuban Exile Quarter, izay nanazava hoe:’ Nanambara ny Firenena Mikambana tamin'ny 20 Desambra 1993 fa ny...

04 Mey 2012

Hong Kong: Ampangain'ny Evanjelisitra Ho Mamery Ny Tanora i Lady Gaga

Mitety an'i Azia mitondra ny antontan-kira ‘Born this Way Ball’ amin'izao fotoana izao ilay mpanoratra hira sy mpihira Amerikana Lady Gaga. Efa voapetraka ho amin'ny 2 mey sy 7 mey 2012 ny fampisehoana hotontosaina any Hong Kong. Nametraka adihevitra tao amin'ny fiarahamonina tao an-toerana ny vondrona evanjelisitra iray manohitra ny fahatongavany...