· Desambra, 2008

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Desambra, 2008

Goyana Frantsay: Fitokonambe tsy misy milaza

  03 Desambra 2008

Nisafotofoto ny toe-draharaha any amin'ny faritry Goyana Frantsay efa herinandro mahery izay. Manohitra ny fiakaran'ny vidin'ny lasantsy amin'ny alalan'ny fametrahana barazy manerana ny lalana, fanakatonana ny sekoly sy orinasa ny mponina. Amin'izao fotoana izao dia €1,77 isaky ny litatra ny vidin'ny lasantsy (US$ 2,25), izay mifandaka amin'ny fidinan'ny solika izay tafidina ambanin'ny US$ 50,00 ny iray baril herinandro vitsivitsy lasa izay. Manome ny akon'izany fihetsiketseham-bahoaka izany ny tontolom-bolongana Goyaney Frantsay.

Shina : Fitokonan’ny mpamily fiarakaretsaka, sendikà ary demaokrasia an-dalambe

  03 Desambra 2008

Nitokona nanditra ny iray volana ny mpamily fiarakaretsaka nanerana ny firenena. Tany Chongqin no nitranga ny fitokonana voalohany tamin’ny 3 Novambra teo, niitatra tany Hainan, Gansu, Yunnan, Shandong, Qingdao, Jinan, Fujian, Shantou, Wubei, Shaanxi ary tanàna hafa maro koa izany. Tahaka ny hoe nisy fitokonan’ny mpamily fiarakaretsaka ny 1 Desambra...