Nisafotofoto ny toe-draharaha any amin'ny faritry Goyana Frantsay efa herinandro mahery izay. Manohitra ny fiakaran'ny vidin'ny lasantsy amin'ny alalan'ny fametrahana barazy manerana ny lalana, fanakatonana ny sekoly sy orinasa ny mponina amin'izao fotoana izao. Amin'izao fotoana izao dia €1,77 isaky ny litatra ny vidin'ny lasantsy (US$ 2,25), izay mifandaka amin'ny fidinan'ny solika izay tafidina ambanin'ny US$ 50,00 ny iray baril herinandro vitsivitsy lasa izay. Manome ny akon'izany fihetsiketseham-bahoaka izany ny tontolom-bolongana Goyaney Frantsay.
Tamin'ny 28 Novambra lasa teo no nanazavan'ny Le Blog Guyane [fr] fa efa ambavahoana tokoa ny toe-draharaha ara-toe-karena, politika ary sosialy any an-toerana, ka izay no miteraka izao fihetsiketseham-bahoaka sy fitokonana politika izao.
“Déjà que la vie est chère ici, mais avec l'essence à 1,77 euros ça devient plus gérable pour beaucoup de gens. Du coup blocage total des transports, voiture, avion, déchargement des bateaux. Petit probleme, certains bleds isolés dépendent de l'essence pour l’ électricité, la filtration de l'eau étant électrique, plus d'eau potable en début de semaine prochaine (le fleuve est pollué au mercure des chercheurs d’ or), plus d'électricté pour les dispensaires, etc….. “
Ny tena nifantohany koa dia tsy mba misy fampahalalam-baovao iraisam-pirenena mitatitra ity vaovao ity, nefa dia tsy fahita hatramin'izay ity olana izay nahatonga ny mponina Goyaney sy ny mpanao politika ao aminy handray andraikitra ity.
“Eh oui, des barrages partout, plus d'écoles ni de magasins ouverts,plus d'essence, il reste l’ hopital et la police….. Bon vu qu’ apparement la Guyane n’ interesse pas trop les médias ni notre cher président, ni même beaucoup le secrétaire d’ etat à l’ outre mer…”
Fa lahatsoratra iray ao amin'ny bolongan'i Dom et Steph en Guyane [fr] no mampivoitra ny tsy maintsy andinihan'ny mponina sy ny mpitondra ny resaka angovo madio kokoa.
“Espérons aussi qu'un débat de fond sur les alternatives à la consommation de pétrole soit initié.”