· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Janoary, 2013

TEDxSanaa: Mangetaheta Fanantenana Ny Ao Yemen

  03 Janoary 2013

Na teo aza ny taona nisafotofoto niainan'i Yemen tamin'ny 2012, niasa mafy ny vondrona Yemenita iray mba hamaranana ny tana amin'ny fomba miabo. Nahavita nametraka sehatra iray, sambany ho an'i Yemen, hahafahana mamelom-panantenana ny tariky ny TEDxSanaa, dia ny hetsika TEDx ao Sanaa ny 31 Desambra teo ambanin'ny teny faneva "Mangetaheta Fanantenana."

Bahrain: Voafonja Noho Ny Sioka Nataony Ilay Mpikatroka Ny Zon'olombelona

GV Mpisolovava  02 Janoary 2013

Sayed Yousif Almuhafda no filoha lefitra sy Lehiben'ny Sampa-pitehirizan-kevitra ao amin'ny Foibe misahana ny Zon'olombelona ao Bahrain(BCHR). Mpikambana ao amin'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona Front Line Defenders sy ny Amnesty International ihany koa izy. Nosamborina izy tamin'ny 17 Desambra satria nitarika hetsika tsy misy herisetra tao an-drenivohitra ary nitatitra momba izany tao amin'ny Twitter. Voampanga...

Fanazavana Kely Tamin'ny Fahatapahan'ny Aterineto tao Syria

  02 Janoary 2013

Noho ny fiaraha-miasa amin'ny Syria Deeply no iarahanay mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana, ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady. Nanana fanazavana kely momba ny fahatapahan'ny aterineto tao Syria, izay nampitoka-monina an'i Syria tamin'izao tontolo izao tamin'ny 29 novambra 2012 lasa teo i...