· Marsa, 2008

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Marsa, 2008

Iran : Taona vaovao no manomboka

  22 Marsa 2008

Omaly no andro voalohany amin'ny lohataona sy andro voalohan'ny taona iraniana. Ny fetin'ny Nowruz na koa Norouz dia ankalazaina any Iran sy firenena maro tahaka an'i Tajikistan sy Afghanistan. Mpiblaogy maro no nankalaza izany fety izany, koa dia nifampirary soa sy nifanakalo hevitra izy ireo tamin'izany andro izany. Ny sasany...

Jordana : Mpanao gazety dimy nampiridina am-ponja

  21 Marsa 2008

Mpanao gazety dimy avy ao Jordana no iharan'ny sazy telo volana am-ponja noho antony roa samihafa nandika ny lalana ao amin'ny fireneny. Manangam-peo ny mpitoraka blaogy avy ao an-toetrana hanoherana ity raharaha manohitra ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra ity. Araka nolazain'ny International Freedom of Expression Exchange dia gazety lehibe roa ao Jordana,...

Isiraely: Vehivavy Jiosy hoe i Shakespeare?

  21 Marsa 2008

Efa nampisy adihevitra hatry ny ela ny momba an'i Bard (aza manontany akory fa na izaho mpandika teny aza tsy mahalala io anaran'olona io). Mety ho vehivavy Jiosy Italiana ve i Shakespeare (ity no antony nandikako ity lahatsoratra ity)? Porofo valo no atolotry Jhon Hudson ao amin'ity rohy  Jewcy's  ity...

Isiraely: Fitsidihana manantantaran'i Merkel

  21 Marsa 2008

Ny kabarin'i Angela Merkel teo anoloan'ny antenimiera Isiraeliana (Knesset) no voalohany indrindra nataona mpitondra fanjakana Alemana ambony hatramin'izay. Nikasa Ramatoa Merkel ny hikabary amin'ny teny alemana saingy nahatezitra ireo sisam-patin'ny fandripahana ny jiosy tamin'ny ady lehibe faharoa (shoah na Holocaust no ahalalana azy amin'ny teny vahiny) izany fikasana izany –...

Egypta: Fenoina taratasy mankany amponja

  20 Marsa 2008

“Ho fiaraha-mientana amin'ny FreeKareem.org (fanafahana an'i Kareem izay migadra), dia nanentana ny olona tamin'ny alalan'ny mailaka ny Vaomieran'ny fiarovana ny mpamaham-bolongana (mpitoraka blaogy) ho fanohanana an'ilay mpamaham-bolongana Egyptiana mbola migadra Kareem Amer,” hoy ny filazan'ny Vaomieran'ny fiarovana ny Bilaogera. Ity hetsika  izay hotontosaina, manomboka ny 7 ka hatramin'ny 21 Aprily, ity...

Egypta: Hiatrika ny ampitso

  20 Marsa 2008

“Raha tianao ho fantatra ny ho avin'ny fiainan-janak'olombelona, dia aza ny toerana vaovao no todihanao. Jereo ny toerana antitra na efa niainan'ny olona hatry ny ela: Toerana izay efa nisiana mpitondra maro sy fanjakana matanjaka nifandimby na nifampisolosolo nihanahery sy nidaboka anarivony taona izao, toerana kely nifampisonana nefa namelona vahoaka...

yemen: tsy misy izany herisetra amin'ny vehivavy izany

  20 Marsa 2008

Omar Barsawad no miady hevitra momba ny herisetra sy ny fihoara-pahefana mianjady amin'ny vehivavy any yemen ka manontany hoe:”Efa nitsidika namana sy namangy havana tany amin'ny faritry Yemen hafa aho – fa tsy nahita na nahamarika izany fihoara-pahefana manjaka tantarain'ny lahatsoratra maro izany. …Dia manontany aho hoe faritra aiza eto...

Arabia Saodita: Roa no maty noho ny fanenjehan'ny polisy

  20 Marsa 2008

“Tovolahy iray sy tovovavy iray no maty tamin'ny lozam-piarakodia nampihoronkoditra iray raha nenjehin'ny polisy avy ao amin'ny vaomieran'ny fampielezana ny fahadiovam-pitondrantena sy fisorohana ny faharatsiana tany avaratry ny tanànan'i Tabuk izy ireo” hoy ny tatitry Saudi Jeans.

Maraoka: afaka i Fouad Mourtada

  19 Marsa 2008

Noafahana ora iray izay i Fouad Mourtada, Injeniera momba ny fifandraisandavitra (aterineto koa) ary 26 taona raha nosamborina tamin'ny 5 febroary 2008 lasa teo sady nohelohina higadra telo taona sy handoa onitra $1350 noho ny nametrahany tamin'ny fomba tsy ara-dalàna (izany hoe karazany sandoka) ny mombamomba ny zandry rahalahin'i Mpanjaka Mohammed...

  17 Marsa 2008

“Isan'ny fombafomba ahiana indrindra any amin'ny faritra afovoany atsinanana ny “fitadiavam-bady”. Tsy mampiahiahy ny mpitady vady lahy sy ny fianakaviany irery ihany. Fa koa hita fa mampietry ny vehivavy izay mihevitra fa manambay vehivavy izy ity” hoy i Qwaider, avy any Jordana.