· Mey, 2019

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Mey, 2019

Enjehin'ny alika ao amin'ny Google Street View Japan

  16 Mey 2019

Nalaza be tao amin'ny Twitter Japoney ny sarin'alika mahafatifaty tao amin'ny efijerin'ny Google Street View. Nozaraina in-100.000 ilay sary mahafinaritra ary niteraka fikarohana hoe aiza marina ao Japan no mety hahitana ilay sary. 

Fanadihadiana roa mahaliana momba ny sivana

GV Mpisolovava  12 Mey 2019

Torolàlana feno zava-mahasoa sy natao ho an'ny mpiserasera navoakan'ny Citizen Lab ao amin'ny Oniversiten'i Toronto izy ity, izay natao mba hampahafantarana ireo mpiserasera tsy dia mahay ny teknika mikasika ny fialàna amin'ny sivana amin'ny aterineto, ary manampy azy ireo hisafidy izay mifanaraka tsara amin'ny toe-javatra iainan'izy ireo sy ny filan'izy ireo.

Indonezia: Mpilalao sarimihetsika nanao hetsi-panoherana tao amin'ny parlemanta

  04 Mey 2019

“Jujur, Adil, Tegas.” Amin'ny teny Anglisy dia midika hoe "Marina, Madio, Mahitsy." Ireo no voambolana voasoratra tamin'ny loko mena nataon'ilay menavazana mpilalao horonantsari-mihetsika malaza Pong Harjatmo teo amin'ny tafon'ny tranoben'ny parlemanta Indoneziana ho mariky ny fanoherana ny zavatra nofaritany ho rafitra demokratika sy mpanao lalàna tsy mahomby ao amin'ny firenena.

Indonezia: Tsy meloka i Prita hoy ny fitsarana ambony

  03 Mey 2019

Tamin'ny Talata tolakandro, tsy nahita ny Fitsarana Ambony Tangerang fa meloka noho ny fanalam-baraka i Prita Mulyasari, vehivavy mpikarakara tokantrano izay nanoratra fitarainana tamin'ny alalan'ny mailaka manohitra hopitaly iray iraisam-pirenena tsy mandoa hetra.