
Alika ao Japan. Sary avy amin'i Nevin Thompson.
Nalaza be tao amin'ny Twitter Japoney ny sarin'alika mahafatifaty tao amin'ny efijerin'ny Google Street View. Nozaraina in-100.000 ilay sary mahafinaritra ary niteraka fikarohana hoe aiza marina ao Japan no mety hahitana ilay sary.
Tamin'ity volana Mey ity, nizara lahatsary fohy izay toa mampiseho alika kely manenjika fiara maka sary ho an'ny Street View an'ny Google Map ny olona iray manana anarana ao amin'ny Twitter hoe ‘Reoemon’ (れおえもん).
「Googleマップでめっちゃ追いかけてくるイッヌ」です pic.twitter.com/abvUCW73kv
— れおえもん (@reo_03) May 10, 2019
I'm being chased by a dog on Google Maps!
(Be sure to click the ‘play’ icon in the tweet above)
Enjehin'ny alika ao amin'ny Google Maps aho!
(Aza adino ny manindry ny bokotra ‘alefaso’ ao amin'ny sioka eo ambony)
Nahatsikaritra ilay sioka avy eo ny hafa, ary niezaka nanaraka manokana ilay alika tao amin'ny Street View.
見つけた!!(*`・ω・´)ノ pic.twitter.com/KzRjyOc24L
— kaki_3 (@kaki_3) May 10, 2019
Hitako ilay alika! (*`・ω・´)ノ
発見‼からの、
待ってー?( ˙꒳˙ 三/ ˙꒳˙)/?すごく好きです✨ pic.twitter.com/XDvYwXgRX6
— peri (@kaname_mochi) May 10, 2019
Hitako izy! Toa milaza ilay alika hoe “andraso aho!” ?( ˙꒳˙ 三/ ˙꒳˙)/?
Tiako izany! ✨
Azo jerena ao amin'ny Google Maps ao amin'ny Tanegashima, nosy ao amin'ny prefektioran'i Kagoshima ao Kyushu, atsimo atsinanan'i Japan ilay alika.
Nandefa sarina alika hafa hitan'izy ireo tao amin'ny Street View ny olona sasany, alika izay toa manenjika ny fiaran'ny Google Maps ihany koa.
最近僕も追いかけてるイッヌ見つけました。 pic.twitter.com/RRXAbSAlZM
— TOUGH (@abbotsforder) May 10, 2019
Vao haingana ihany koa aho nahita alika toa manenjika ny (fiaran'ny Street View)
Ary izay moa ilay aterineto, nahita sarina saka tao amin'ny Street View ao Japan ny hafa.
千鳥の島の母ちゃんの店
ネッコいた pic.twitter.com/8kYAVKn5ki— やじ (@yajijovi) May 12, 2019
Saka eo anoloan'ny magazain'ny reniko ao amin'ny nosy Chidori (Nagasaki)