Misy fampiasa ao amin'ny Facebook ampiasain'ny Junta ao Thailand hanangonana adiresy imailaka

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2014)

A warning from the Thai Netizen Network, showing the deceptive Facebook application.

Fampitandremana avy amin'ny Tambajotran'ireo  Thai mpampiasa aterineto, mampiseho ilay fampiasa mamitaka ao amin'ny Facebook.

Nosoratan'i Danny O'Brien, Talen'ny Electronic Frontier Foundation International. Tao amin'ny bilaogin'ny Electronic Frontier Foundation ity lahatsoratra ity no nivoaka voalohany.

Hatramin'ny nandraisan'ny tafika ny fitondrana, tamin'ny volana lasa, vao mainka nihanaka be ny sivana ataon'ny mpitondra, miaraka aminà sazy ampiharina amin'ireo mpiteny sy mpanjifa an'ireo media voaràra. Eny an-dalambe, samborina ireo Thais mitondra hafatra ratsy eny amin'ny T-shirt tafiany na mamaky eny imasombahoaka ny “1984” nosoratan'i George Orwell. Ety anaty tambajotra, araka ny tatitra navoakan'ny fitondràna, an-jatony maro ireo tranonkala no nampidirina ho ao anatin'ny lisitra maintin'ny governemanta Thai, isan'ireny ireo tranonkalam-baovao sy miresaka politika manao tatitra momba ilay fanonganam-panjakana. Amin'izao fotoana, mamitaka  ireo mpampiasa aterineto ireo manampahefana, amin'ny fampiharihariana ny angondrakitra momba azy ireo manokana, toy ny adiresy imailaka na ny mombamomba azy ao amin'ny Facebook rehefa manandrana mitsidika ireny tranonkala voaràra ireny ry zareo.

Eo ambanin'ilay fotodrafitrasa nasionaly Thailandey fibahanana tranonkala, izay ezak'ireo mpampiasa aterineto te-hitsidika ireny tranonkala voabahana ireny dia avily daholo mankany amin'ny pejy fitodiana an’ny tranonkalan'ny governemanta, tantanan'ny sampandraharaha Technology Crime Suppression Division (TCSD). Taorian'ny fanonganam-panjakana, nahamarika  ny Tambajotran'ireo Thai mpampiasa aterineto, fikambanana ao an-toerana miaro ny zo nomerika, fa ny pejy fanakanan'ny TCSD dia namoaka sary roa vaovao: ny iray bokotra manga “fanakatonana”, sy sarikely iray “Hiditra amin'ny Facebook”. Ireo roa ireo samy mitondra mankamin'ny toa pejy “Fidirana” Facebook izay angatahana amin'ireo mpampiasa ny alàlana avy aminy haka ny mombamomba azy manokana voatahiry ao amin'ny Facebook  — tsy misy fanoroana, na amin'ny teny Thai na anglisy, ny toerana handefasana ireny angondrakitra ireny, na ny antony anaovana izany. Raha ny marina, ilay fampiasa “Fidirana” dia ny TCSD ihany no mitantana sy manodina azy, izay izay mampiasa ny sehatra ao amin'ny Facebook mba hanangonana ny antsipirihany momba ireo mpampiasa Facebook tonga mitsidika ilay pejy nitodiana.

Hatry ny ela ireo manampahefana Thai no nilaza fa tokony harahan'ireo orinasa vahiny ireo fangatahana rehetra avy amin-dry zareo hanesorana votoaty sy hampitàna ny mombamomba manokana ireo mpampiasa. Nandà mafy ny fangatahana tahaka izany ny Facebook. Amin'ny famitahana ireo mpampiasa mba hikitika ilay pejy voalohany, fanomezana alàlana ilay fampiasany ao amin'ny Facebook, voangon'ireo manampahefana Thai ireo karazana torohay mombamomba ny mpampiasa tsy neken'ny Facebook homena hatrizay ela izay.

Fanitsakitsahana ny politikan-tsehatry ny Facebook ny fampiasa iray tsy misy politika mazava momba ny fiainana manokana na fanazavana napetraka ao anatiny, ary efa in-droa izao raha kely no natsahatry ny Facebook ilay fampiasa an'ny Sampandraharaha Fanafoanana ny Heloka. Ilay fampiasa voalohany “Fidirana” dia nofoanana fotoana fohy taorian'ny namoahan'ny Tambajotran'ireo Thai mpampiasa aterineto ny endrika mpamitaka nananany. Taorian'ny herinandro niasàny dia nofoanan'ny Facebook koa ilay fampiasa iray mitovy aminy izay napetraka hisolo azy teo amin'ny pejy.

Ny Zoma, taorian'ireo kiana tety anaty aterineto, efa taraiky be ny TCSD vao nandefa fanamarinana ilay fampiasa napetrak'izy ireo, tamin'ny fanoratana hoe:

Dingana fanangonana angondrakitra ho an'ny TCSD.info ilay fanangonana ny angondrakitra momba ireo vavolombelona na ireo mpampiasa, mifanaraka amin'ny Toko faha-26 ao amin'ny Lalàna mifehy ny heloka bevava mifandray amin'ny informatika (2007). Mitovy amin'ny ataon'ireo tranonkala hafa rehetra mampiasa ny Facebook mba ho entina manamarina ny maha-tena izy ilay olona ihany io fanangonana angondrakitra io. Amin'io fomba io, ho afaka maka vavolombelona maromaro kokoa ny TCSD izay afaka mitondra ho any amin'ny fanenjehana sy fanovana ny fiarahamomnina an-tserasera ho madio kokoa. Manasa anareo izahay handefa ny torohay ao amin'ny https://www.facebook.com/jahooktcsd

Asehon'ny pejy iray fanaovan'ny Facebook antontanisa an'ireo fampiasan'ny daholobe ny fomba nataon'ireo fampiasa roa an'ny TCSD ireo nahazoany adiresy elektronika Thai anjatony talohan'ny nanakatonana azy. Mba nahafantatra ve ireny mpampiasa aterineto ireny hoe nanome ny mombamomba azy manokana sy ny adiresy imailakany ho toy ny vavolombelona “goavana” ho anà fanenjehana ara-pitsarana atsy ho atsy?

Tsy vao voalohany amin'izao isika no nahita governemanta nampiasa teknikan'ny vondrona fanapaingorana sy famitahana (spamming) mba hanangonana torohay momba ireo olompireneny ihany. Raha tsy mahagaga intsony ny hoe fitondràna miaramila nanongana fitondrana ara-dalàna ka mihevi-tena ho afaka mitsikilo amin'ny fampiasàna fampiasa iray manitsakitsaka ny fepetra napetraky ny sehatra media sosialy iray, dia asehon'ity hoe hatraiza ny fahavononan'ny governemanta Thai hanova ny aterineto — tafiditra amin'izany ny media sosialy — mba ho amin'ny ilàny azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.