Indonezia: Tsy meloka i Prita hoy ny fitsarana ambony

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2009)

Tamin'ny Talata tolakandro, tsy nahita ny Fitsarana Avo Tangerang fa meloka noho ny fanalam-baraka i Prita Mulyasari, vehivavy mpikarakara tokantrano izay nanoratra fitarainana tamin'ny alalan'ny mailaka manohitra hopitaly iray iraisam-pirenena tsy mandoa hetra.

Noraisin'ny fitsarana fa fitarainana fotsiny ny mailak'i Prita, noho izany dia tsy azo heverina ho toy ny fanalam-baraka.

Nandefa fanavaozam-baovao ara-potoana avy amin'ny fotoam-pitsarana ireo bilaogera ary nanangona ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter tamin'ny alàlan'ny tenirohy #sidangprita (fitsarana an'i Prita) sy #freeprita:

Enda: http://twitpic.com/vomos – Sudah di Sidang Prita PN Tangerang. Ramai oleh media dan relawan koin #sidangprita #freeprita

Tonga eto amin'ny Fitsarana ambony Tangerang miatrika ny fitsarana an'i Prita. Feno fampitam-baovao sy zoro ho an'ireo mpilatsaka an-tsitrapo ho an'ny Rariny.

Ade_Novita:  Kita relawan koin yg hadir aja deg2an, ga kebayang perasaan prita.

Izahay, mpilatsaka an-tsitrapo nidoboka fo mafy, tsy azonay an-tsaina ny fahatsapan'i Prita.

ndorokakung: Vonis: prita tidak terbukti melanggar hukum. Membebaskan prita dari segala dakwaan

Didim-pitsarana: tsy nandika lalàna i Prita. (Noho izany) afaka tamin'ireo fiampangana rehetra.

tikabanget: TEPUK TANGAN..!!! “HIDUP..!! HIDUP..!!” teriak orang-orang di #sidangprita

Nitehaka (izy ireo). “Ho ela velona i Prita! Ho ela velona i Prita! ” hoy ny tao amin'ny efitra manontolo

arijuliano: Jaksa masih mau pikir2 utk mengajukan banding putusan bebas Prita #sidangprita

Mbola mihevitra ny hampiakatra ny didim-pitsarana ny mpampanoa lalàna

ndorokakung: Kalau jaksa banding atas putusan bebas murni itu namanya kelewatan #sidangprita

Raha mbola hampiakatra ny “afaka madiodio tamin'ny fiampangana rehetra” ny mpampanoa lalàna, dia hanafintohina izany.
Photo from Flickr page of enda 001

Sary avy amin'ny pejy Flickr-an'ny enda 001. 

Herinandro vitsy lasa izay, nomelohin'ny Fitsarana ao amin'ny Distrikan'i Banten ho nanala-baraka ny hopitaly izy ka nandidy azy handoa 204 tapitrisa Rupiah, manodidina ny 21.680 dolara (azo vakiana ato sy ato ny tantara maro hafa).

Niteraka fihetsiketsehana tamin'ny alalan'ny fanentanana amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto hanaovana fanangonana vola madinika ataon'ny mpiserasera sy ny vahoaka amin'ny ankapobeny ny onitra nodidian'ny Fitsarana ao amin'ny Distrika. Nahasarika olona marobe avy amin'ny sarangam-piainana samihafa ny fanombohan'ny hetsika an-tserasera ary lasa iray amin'ireo hetsi-panoherana goavana indrindra tamin'ity taona ity.

Araka ny gazety eo an-toerana kompas, mandra-pahatongan'ny 20 Desambra, nahatratra 825 tapitrisa Ropia ny fanomezana aho an'i Prita   (manodidina ny 87.812 dolara amerikana). Avy any amin'ny zoron'ny vondronosy rehetra, famindram-bola amin'ny aterineto nataon'ireo Indoneziana any ampitan-dranomasina, na koa fampisehoana nataona mpanakanto malaza ireo fanomezana ireo.

Hitan'ny maro ho toy ny fandresen'ny herin'ny vahoaka ny fahafahan'i Prita.

Marihot Purnomo nanoratra tao amin'ny bilaogy Kompasiana:

Putusan bebas Pengadilan Negeri Tangerang terhadap Prita adalah kado hukum akhir tahun 2009. Kegembiraan dan kebahagian tidak hanya dirasakan oleh Prita saja, namun juga ikut dirasakan oleh segenap rakyat Indonesia. Kepedulian dan perhatian masyarakat sungguh luar biasa terhadap kasus ini , dan barangkali ini sejarah bagi proses hukum di negara kita.

[…]

rakyat akan tahu dan merasakan walaupun tidak langsung terlibat dalam proses-proses hukum tersebut, apabila proses hukum tersebut penuh permainan dan atau direkayasa atas permintaaan pihak2 tertentu sekedar memenuhi “seleranya” atau keinginannya,dan apalagi persoalan hukum tersebut menyentuh rasa keadilan masyarakat.

Tahaka ny taona mahafinaritra sy fanomezana ho an'i Prita ny didim-pitsaran'ny fitsarana ambony Tangerang. Saingy tsy i Prita ihany no nahatsapa fifaliana sy hasambarana fa ny vahoaka Indoneziana ihany koa. Mahavariana ny fitsinjovana sy ny firaisankinan'ny vahoaka, angamba zava-bita lehibe tamin'ny dingana ara-pitsarana teo amin'ny firenentsika izany.

[…]

hahafantatra sy hahatsapa (zavatra) ny vahoaka, na dia tsy voakasika mivantana amin'ny dingana ara-pitsarana aza izy ireo, raha feno teti-panorona sy/na novaina ny dingana ara-pitsarana mba hampifaliana ny “tsiro” na ny fanirian'ny antoko sasany, ary (hamaly ny vahoaka) indrindra amin'ny fahatsapan'izy ireo ny tsy rariny atao.

Fanantenana hisian'ny rafi-pitsarana madio kokoa

Ny fahafahan'i Prita dia hita toy ny tsirim-panantenana hisian'ny rafi-pitsarana tsara kokoa ao amin'ny firenena izay miezaka manafoana ny Mafia ara-pitsarana, ny vondrona polisy, mpitsara sy mpampanoa lalàna mpanao kolikoly.

Bilaogera Petrus Rampisela nanoratra hafatra am-pitiavana ho an'ilay mpitsara ao amin'ny Fitsarana Ambony Tangerang

Bukan saja palu BAPAK telah menghancurkan tembok-ketidak-adilan, tapi PALU itu telah menghancurkan perasaan frustrasi dari 250 juta rakyat indonesia.

Alangkah hebatnya Pak putusan itu, bukan saja putusan ini telah membebaskan PRITA, tapi putusan ini telah membebaskan seluruh rakyat kita dari PUTUS ASA.

[..]

Untuk MAJELIS HAKIM YANG MULIA, saya menundukkan kepala.

Tsy ny maritòan'ny fitsaranareo ihany no namaky ny rindrin'ny tsy rariny, fa namaky ny fahakivin'ireo Indoneziana 250 tapitrisa izany maritòa izany.

Tena lehibe ny fanapahan-kevitrareo, izay tsy nanafaka an'i Prita ihany fa nanafaka koa ny vahoakanareo rehetra tamin'ny fahakaviana.

[…]

Ho an'ireo mpitsara, manondrika ny lohako anoloanareo aho.

Mandinika indray ny lalàna mifehy ny aterineto

Hitoetra ao an-tsain'ireo bilaogera Indoneziana tsirairay ny tolon'i Prita. Maro no nilaza fa tsy ho farany amin'ny vaovao ny raharaha Prita. Noho izany, manao hetsika mba hanitsiana ny lalàna mifehy ny fifandraisana sy ny vaovao elektronika (UU ITE) ny mpiserasera Indoneziana.

Ny andininy faha-27, andalana faha-3 amin'ny lalàna indoneziana mifehy ny ateineto dia heverin'ny be sy ny maro ho lalàna goavambe natao hampijaliana ny fahalalaham-pitenenana.

Tamin'io andro io, natao ny fitsarana an'i Prita, nanambara tamin'ny gazety ny minisitry ny serasera sy ny fampahalalam-baovao, Tifatul Sembiring fa nanaiky handinika ny lalàna mifehy ny aterineto ny governemanta ary vonona ny hifanakalo hevitra sy handray ny hevitra avy amin'ny vahoaka izany ny governemanta izany. Na izany aza, tsy afaka niteny i Tifatul hoe rahoviana no hanomboka ny fanitsiana ny lalàna.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.