Voampanga ho manao sivana ny Klioban'ny masoivohon-gazety vahiny rehefa nanaisotra hala-tahaka fanesoana ny fangon'ny lalao olaimpika

Mariky ny Klioban'ny Solontenam-baovao vahiny (FCC) ao Japana tao amin'ny fitoerana taloha an'ny fikambanana tao Yūrakuchō, Tokyo. Nifindra tamin'ny toerana vaovao sy afovoan-tanàna kokoa ny FCCJ avy eo ka lasa tao Marunouchi manakaiky an'i Tokyo, mahatazana tsara ny Lapa Imperialy. Saripikan'i Nevin Thompson.
Voampanga ho nanao sivana ny mpitarika ao amin'ny klioban-gazety tranainy indrindra ho an'ireo vahiny mpanora-gazety tao Japana rehefa voaaisotra tao amin'ny tranonkalan'ny gazetibokiny mivoaka isam-bolana ny sary iray maka tahaka am-panesoana ny Olaimpikan'i Tokyo. Zara fa nilaza ny filohan'ny klioban-gazety sady mipetraka ihany koa ao amin'ny komitin'ny fampitam-baovaon'ny Lalao Olaimpikan'i Tokyo fa noho ny raharaham-panitsakitsahana ny copyright no anton'izany.
Ny fonon-gazetin'ny Number 1 Shimbun, gazetiboky ho an'ireo mpikambana ao amin'ny Foreign Correspondents Club of Japan (FCCJ), sady famakin'ny mpanora-gazety mitatitra momba io firenena io, tamin'ny avrily 2020, no nanasongadina sary fanevan'ny Lalao Olaimpikan'i Tokyo naseho amin'ny endriky ny coronavirus vaovao mahatonga ny COVID-19.

Fonon-gazety 1 Shimbun nivoaka avrily 2020 talohan'ny nanesorana ily sary fanesoana. Pikantsary avy amin'ny Internet Archive, voatahiry tamin'ny 17 Mey.
Taorian'ny filazana fa naharaisana fitarainana avy amin'ny Komity Manomana ny Lalao Olaimpikan'i Tokyo fa “tsimifaditrovana amin'ny athleta” ny sary amin'ny fonon-gazety, dia nanapa-kevitra ny filoha sy ny mpikambana hafa ao amin'ny filankevi-pitantanan'ny FCCJ, tamin'ny 21 mey 2020, ny hanaisotra ny sary tao amin'ny tranonkalan'ny gazetiboky Number 1 Shimbun.
Tamin'ny firesahana izany tao amin'ny valandresaka ho an'ny gazety navoaka tao amin'ny YouTube tamin'ny 21 mey, nanambara ny filohan'ny FCCJ Khaldon Azhari fa ny anton'ny fanapahan-kevitry ny filankevi-pitantanana hanaisotra ny sarin'ny fonon-gazety Number 1 Shimbun avy ao amin'ny tranonkala dia noho ny fanitsakitsahana ny copyright.
“Maro taminay tao amin'ny FCCJ no tsy faly mihitsy tamin'ny fanapahan-kevitra hanaisotra ny sary,” hoy i David McNeill, masoivohon'ny The Irish Times tao Japana teo aloha, ny gazetiboky britanika The Economist ary ny famoahana hafa, sady tonian'ny Number 1 Shimbun teo aloha, tamin'ny antsafa iray nifanaovany tamin'ny Global Voices.
“Vao tamin'ny fotoana nanaovan'ny filohan'ny FCCJ Khaldon Azhari valandresaka ho an'ny mpanora-gazety antserasera tamin'ny 21 mey ho fanazavana ny fanapahan-kevitra, dia efa nisy ireo olona nilaza taminy ny tsy hanaovana izany,” hoy i McNeill.
Maro ireo mpanora-gazety toa an'i Tim Hornyak, izay manao tatitra momba ny teknolojia ao Japan no nitsikera tao amin'ny Twitter ny fanesorana ny sary fanesoana:
The board of the Foreign Correspondents Club of Japan decides to pull the cover of its April magazine, which parodies the 2020 Olympics logo as a coronavirus particle, after the Olympic committee called it offensive. This is freedom of expression in Japan @fccjapan pic.twitter.com/C48MHpn1QA
— Tokyo-StayHomeSaveLives-tronic (@robotopia) May 21, 2020
Nanapa-kevitra ny filankevi-pitantanan'ny Klioban'ny Solontenam-baovao Vahiny ao Japana ny hanaisotra ny fonon'ny gazetiboky tamin'ny avrily, izay namoaka sary maneso ny fangon'ny lalao olaimpika 2020 ho toy ny kasinga coronavirus, rehefa nolazain'ny komity olaimpika fa manohintohina izany. Izany no fahalalahana miteny eto Japana
Raha arivo monja ny vita pirinty amin'izany, dia voatombana ambony loatra ny takatra sy ny fahefan'ny FCCJ sy ilay gazetiboky, hoy i McNeill. “Ankehitriny lasa iray amin'ny gazetiboky sy ny fonon-gazety be mpamaky indrindra teo amin'ny tantaran'ny Number 1 Shimbun ilay navoaka amin'izao fotoana”, hoy izy nanampy teny.
Manana eritreritra mitovy amin'izany i Gearoid Reidy, izay mitatitra momba an'i Japana ho an'i Bloomberg:
I mean, it’s likely I never would have seen this image if it wasn’t for the Tokyo 2020 complaint and *I’m a member of the FCCJ* https://t.co/s5UUUhy3Jf
— Gearoid Reidy (@GearoidReidy) May 20, 2020
Ny tiako lazaina, tahaka ny hoe tsy nahita mihitsy iny sary iny aho raha tsy tamin'ny fitarainan'ny Tokyo 2020 ary *mpikambana ao amin'ny FCCJ aho*
Nandray matotra kokoa ny raharaha ny hafa. Taorian'ny fanesorana ny sary, mpanora-gazety maro no nanameloka ny fanapahan-kevitra tao amin'ny fanambaràna iray izay navoakan'i Michael Penn ao amin'ny Shingetsu News (SNA), filoha-lefitry ny FCCJ teo aloha sady mpikambana tao amin'ny filankevi-pitantanana teo aloha:
[…] The undersigned journalists are appalled by the fact that the Club authorities did not meet their responsibility to defend freedom of the press, which was their most sacred duty. By their words and actions, they have undermined free expression in Japan and emboldened the enemies of democratic debate. […]
Ankona ireto mpanora-gazety manao sonia eto ambany ireo tamin'ny fahitana fa tsy nanao ny andraikiny araka ny tokony ho izy amin'ny fiarovana ny fahalalahan-gazety ny klioba, efa izany no adidy masina indrindra nankinina taminy. Tamin'ny teniny sy ny fihetsika nataony no nanimbàny ny fahalalaham-pitenenana eto Japana sy nanomezany hery ny fahavalon'ny adihevitra demaokratika. […]
Tamin'ny antsafa imailaka nifanaovana tamin'ny Global Voices no nilazan'i Khaldon Azhari fa “tsy manaiky izy” hoe famelezana ny fahalalaham-pitenenana ny fanesorana natao. “Namerimberina nilaza hatrany izaho sy ny filankevi-pitantanana fa mijoro hatrany ho akanin'ny fahalalahan-gazety eto Japana ny FCCJ tao anatin'izay 75 taona nijoroany tao amin'ny tantara izay, hoy ny nambarany.
Nanamafy izay nolazainy tamin'ny valandresaka ho an'ny gazety tao amin'ny YouTube tamin'ny 21 mey i Azhari, tao amin'io fifandraisana imailaka nifanaovana tamin'ny Global Voices io, fa naharay taratasy avy amin'ny komity mikarakara ny lalao olaimpika Tokyo ny FCCJ fa “tena nitrandraka ny sary fanevan'ny [lalao olaimpikan'i Tokyo ofisialy] ny fonon'ilay gazetiboky” ary “fanitsakitsahana ny copyright” izany.
“Hentitra kokoa noho ny any amin'ny firenenkafa ny lalàna sy ny fitsipiky ny copyrights (sic) eto Japana,” hoy i Azhari tamin'ny Global Voices. “Izany no nahatonga ny filankevi-pitantanan'ny [FCCJ] handefa ny raharaha tany amin'ireo mpahay lalàna ato aminay hanaovana fakan-kevitra ara-pitsarana.”
Nilaza i Azhari fa nanao fehinkevitra ny mpahay lalàna ao amin'ny FCCJ fa azo heverina ho manitsakitsaka ny copyright araka ny lalàna japoney ilay fonon-gazety.
“Tsy resy lahatra amin'izany ny mpanora-gazety sasany ao amin'ny klioba ary mihevitra ny fangatahana hanaisotra ilay sary ho famelezana ny fahalalaham-panehoan-kevitra […],” hoy i Azhari. “Saingy milaza ihany koa ny taratasin'ny [komity olaimpikan'i Tokyo] fa niniana nolokoina ratsy amin'ny fanakambanana azy amin'ny viriosin'ny COVID-19, izay fandrahonana ratsy niteraka fahafatesana an'arivony maro manerana izao tontolo izao, izay mifanohitra mivantana amin'ny idealin'ny hetsika olaimpika, ilay faneva.”
Nataon'ny Komity Mpikarakara ny Lalao Olaimpika ao Tokyo ao anatin'ny lisitry ny vaomieran'ny fampitam-baovao hita ao amin'ny tranonkalany i Azhari, ka noheverina fa misy ny fifandonan-tombontsoa tamin'ny fanapahan-kevitra hanaisotra ny fonon'ilay gazetiboky. Nanohitra izany i Azhari.
“Talanjona aho raha nahafantatra fa mpikambana ao,” hoy i Azhari. “Tsy misy ny [fandoavam-bola] na tombontsoa hafa avy amin'ny komity olaimpika ho an'ny filohan'ny [FCCJ].”
Nanolo-kevitra i David McNeill fa tsy nisy ny hamehana hanesoran'ny FCCJ avy hatrany ilay sary. Nilaza aza i McNeill, fa azon'ny FCCJ natao ny nampanantena hanao fanadihadiana tamin'ilay raharaha, izay nahafahana naka fotoana bebe kokoa hakana ny hevitry ny mpikambana.
“Fa na izany aza, tsy ao amin'ny filankevi-pitantanana aho ka tsy matahotra ny hotoriana,” hoy i McNeill. “Tsy manambola betsaka handoavana izay lany ara-pitsarana ny FCCJ.”
Mbola olana bebe kokoa ho an'ny FCCJ ny tsy fahampian'ny fitaovana ara-bola, fikambanana izay naorina voalohany tamin'ny taona 1945 taorian'ny fiafaran'ny ady lehibe faharoa.
“Mila mitady vahaolana amin'ny olana ara-bola mianjady aminy ny FCCJ,” hoy i McNeill. “Ny fanapahan-kevitra hiondrika eo anoloan'ny komity olaimpikan'i Tokyo dia fandravana ny maoralin'ny FCCJ sy ny lazany, raha mihena ny mpikambana ao aminy izay miteraka maza loatra ny fihenan'ny fidiram-bola.”
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...