Noroahin'i Shina ireo Amerikana mpanora-gazety avy amin'ny seha-baovaon'i Etazonia, fandrahonana ny fahalalahan-gazety izany hoy ny mpitily
Tamin'ny 18 marsa i Shina nanambara ny fandroahana ireo Amerikana mpanoratra amin'ny gazety lehibe, izay tsy iza fa ny New York Times, ny Wall Street Journal ary ny Washington Post. Azo ampiharina amin'i Hong Kong sy Macau izao fepetra izao na dia heverina ho mizakatena ao anatin'ilay fotokevitra manao hoe “Firenena iray, rafitra roa” aza ireo tanàna samy zanatany taloha ireo.
Nokianin'ny Reporters Sans Frontières, fikambanana iraisampirenena mpitily ny fahalalahan-gazety, izao fanapahan-kevitr'i Beijing izao ho “hetsi-pamoretan'i Shina iadiany amin'ny fahalalahan-gazety eto ambonin'ny tany” ary nosoritany ny lanjan'ny fangaraharahana ao anatin'izao areti-mandringana COVID-19 izao.
Navoitran'i Shina tamin'ny fanambaràna nataony tamin'ny 18 marsa fa izao fihetsika izao dia setrin'ny fanondroan'ny governemantan'i Etazonia ny seha-pampitam-baovao shinoa dimy ho (mpiasa) mpitsikilon-governemanta vahiny tamin'ny 19 febroary. Mila misoratra anarana ao amin'ny Departemantam-panjakana amerikana ireo mpiasa ao amin'ny sehatra famoaham-baovao shinoa dimy izay tononina manaraka etoana: Xinhua, China Global Television Network (CGTN), China Radio International, China Daily, ary ny Hai Tian Development USA. Mila milaza ny fananany tsy mihetsika ao Etazonia ihany koa ireo seha-baovao ireo ary mangataka alalana rehefa hividy fananana mifaka amin'ny manaraka.
Tamin'ny andro nanaovan'ny Departemantam-panjakana Amerikana fanapahan-kevitra ihany koa i Shina no nandroaka mpanora-gazetin'i Wall Street Journal miisa telo rehefa tsy nety niala tsiny tamin'ilay tsanganan-kevitra manoritra an'i Shina ho “ilay tena mararin'i Azia” ny gazety.
Tamin'ny 3 marsa ny governemantan'i Etazonia namoaka fetran'isan'ny mpiasa ho 100 indray fa tsy 160 intsony ho an'ireo sehatra fampitam-baovao shinoa voatonona etsy ambony. Nilaza ny sekreteram-panjakan'i Etazonia, Mike Pompeo, fa izao famerana izao dia valin-kafatra amin'ny “kendaroroka sy fampitahorana mihamafy” ataon'i Beijing amin'ireo Amerikana mpanora-gazety ary kendrena izao “hampitoviana lenta ny kianja filalaovana” [fitsipi-dalao] sy “handrisihana an'i Beijing hizotra amin'ny fomba fanao ara-drariny sy mifamaly tsara kokoa” amin'ireo gazety vahiny any Shina.
Nanapa-kevitra ny handroaka mpanora-gazety amerikana bebe kokoa anefa i Shina. Notakian'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ireo mpanora-gazety amerikana rehetra miasa amin'i New York Times, ny Wall Street Journal ary ny Washington Post hamerina ny karatra maha-mpanora-gazety (izay efa ho lany daty amin'ity taona ity ihany) ao anatin'ny 10 andro. Tombanana fa mpanora-gazety 13 farafahakeliny no ho tratran'izany fepetra izany.
Etsy ankilany, notakian'ny minisitera ihany koa iretsy gazety telo voatonona etsy ambony miampy ny Time Magazine sy ny Radio Free Asia hampanoratra anarana ny ekipa ao aminy, ny sata ara-bolany sy ireo vola miasa ao Shina any amin'ny manampahefana shinoa. Nosoritan'ny fanambaràna ihany koa fa tsy ho afaka ny hanangom-baovao avy ao Hong Kong sy Macau ireo mpanora-gazety noroahina ireo.
Nandritra ny briefing nifanaovana tamin'ny gazety ny mpitondratenin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny Geng Shuang no nilaza fa “voatery” i Shina handray fepetra manao lasibatra ny seha-baovao sy ny mpanora-gazetin'i Etazonian'i Amerika raha tsy manova ny politikany i Etazonia.
Ampolony taona maro izao i Hong Kong no edenan'ny vahiny mpanora-gazety miasa ao Azia noho ny sata manokana mihatra aminy miorina amin'ny hoe “Firenena Iray, Rafitra Roa”. Ho setrin'ny politika vaovaon'i Beijing, naneho hevitra i Edward Yau Tang-wah Sekretera misahana ny Varotra sy ny Fampandrosoana ara-toekarenan'i Hong Kong fa ho ampiharin'ny governemanta ny fotokevitry ny “Firenena Iray, Rafitra Roa”.
Manahiran-tsaina tokoa izany valiny izany satria Lalàna Fototra ao Hong Kong ny fiantohana ny fahalalaham-pitenenana sy ny fanorata-gazety hatramin'ny nampanankery azy tamin'ny taona 1997. Voalaza ao ihany koa fa mety ho ampiharin'ny governemantan'i Hong Kong ny fanaraha-maso ny fidirana, fonenana ary ny fivoahan'ny olona avy any amin'ny faritra sy firenena vahiny. Mandritra izany fotoana izany, tamin'ny taona 2018, notsipahan'ny governemantan'i Hong Kong ny fanavaozana ny visa-n'i Victor Mallet, filoha lefitry ny klioban'ny masoivohom-baovao vahiny (FCC), izay toniam-baovaon'i Financial Times rahateo. Nitranga izao fihetsika ara-politika izao rehefa nitarika resadresaka nifanaovana tamin'ny mpikatroka mpanohana ny fahaleovantena Andy Chan tao amin'ny FCC i Mallet.
Nokianin'ny FCC ny hetsika faramparany nataon'i Beijing hanitarana ny fandraràna ny fampitam-baovao amerikana hatrao Hong Kong amin'ny filazana izany ho “fanimbana ratsy dia ratsy” ny fotokevitra “Firenena Iray, Rafitra Roa”. Narovan'ny mpitondrateny iray ao amin'ny Biraon'ny Mpiadidy Shinoa ao Hong Kong ny hevitr'i Beijing ary nilazany ny FCC “hamantana ny fitarainany any amin'ny fitondram-panjakana amerikana, handrisihana ity voatonona farany ity hanova avy hatrany ny heviny, hiala amin'ny fanimbana, ary hampitsahatra ny famoretana ara-politika sy ny faneriterena ankitsirano ireo fikambanana fampitam-baovao shinoa.
Nilaza i Alvin Yeung, mpitarika ny antoko sivika Hong Kong fa “sambany” fa tsy mbola nataon'i Beijing ny manao valin-kafatra toy izao :
It is as if Beijing is directly imposing its authority on Hong Kong’s Immigration Department and prohibiting the issuance of work permits.
Toy ny mampihatra mivantana ny fahefany amin'ny departemantan'ny fifindramonina ao Hong Kong i Beijing ary mandrara ny famoahana fahazoan-dalana hiasa.
Navoitran'i Cédric Alviani, talen'ny biraom-paritra Reporters Sans Frontières ao Azia Atsinanana fa fikisahana mankany amin'ny “famelezana ny fahalalahan-gazety eto ambonin'ny tany” izao toe-javatra izao. Nosoritany:
The media targeted by China enforce and abide by the principles of ethical journalism—including editorial independence and the verification of facts for the public benefit—while the Chinese state media officially serve as mouthpieces for the Chinese Communist Party.
Mampihatra sy mankatoa ny fotokevitry ny etikan'ny fanoratan-gazety—anatin'izany ny fahaleovantena eo amin'ny fizotran-dahatsoratra sy ny fanamarinana ny zavamisy hijerena ny tombontsoam-bahoaka—ireo media lasibatr'i Shina ireo nefa amin'ny fomba ofisialy dia mpitondratenin'ny Antoko Komonista Shinoa ireo mediampanjakana shinoa.
Nomarihan'i Christophe Deloire, sekretera jeneralin'ny RSF manokana ny mahazavadehibe ny fahalalahan-gazety ao anatin'ny fisian'izao areti-mandringana COVID-19 izao:
The despotic control of news and information by Beijing had a very negative impact at the starting point of this coronavirus epidemic… Chinese president Xi Jinping has a huge responsibility in front of all human beings.
Misy fiantraikany ratsy dia ratsy teo am-panombohan'ny fihanaky ny valan'aretina coronavirus ny fifehezana tsirefesimandidy ny vaovao sy ny torohay nataon'i Beijing… Manana andraikitra mavesatra dia mavesatra manoloana ny olombelona rehetra ny filoha shinoa Xi Jinping.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...