Manamboatra fiarotava i Shina noho ny tinady manerantany nateraky ny COVID-19

Zotra famokarana fiarotava. Pika avy amin'ny lahatsarin'ny China Daily tao amin'ny mpisera Twitter China Science.
Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices fiantraika manerantanin'ny COVID-19.
Taorian'ny fametrahana paikadim-pitokana-monina izay nahomby hifehezana ny fielezan'ny COVID-19, dia niverina nanohy ny asany ara-toekarena i Shina tamin'ny marsa teo. Koa satria mitombo izaitratra ny filàna sarombavaorona sy ireo vokatra ara-pitsaboana hafa manerana izao tontolo izao, dia nanova ireo zotram-pitaovam-panambatambarana hamaly izany tinady izany ireo orinasa shinoa. Vokatry ny areti-mandringana, mihoatra noho ny fanoitran'ny fitomboana ara-toekarena ny vokatra hitsaboana saingy eo anivon'ny drafitr'i Shina hanatontosana ny “diplaomasian'ny fiarotava” izany.
Miroborobo ny fihariana
Hita teny rehetra teny ny fiarotava sady mora dia mora, fa niova ho ifampitadiavana ao anatin'izao fielezan'ny COVID-19 izao. Talohan'ny fianahan'ny COVID-19, namidy manodidina ny 100,000-200,000 yuan RMB (manodidina ny $14,150 ka hatramin'ny 28,300 dolara amerikana) ny vidin'ny milina manamboatra fiarotava iray. Ankehitriny mihoatra ny avo telo heny ny vidiny. Na izany aza, mahavokatra fiarotava anelanelan'ny 100,000 ka hatramin'ny 160,000 isan'andro ny milina iray izay midika fa vetivety dia azon'ny milina iray ny 100,000 yuan RMB (US$14.150) isan'andro.
Ao amin'ny lahatsoratra WeChat iray malaza mitondra ny lohateny hoe Fiarotava adala/Milina manonta vola: Indray alina monja dia manankarena aho, no nanazavan'ny mpandraharahan'ny e-cigarette teo aloha, Mr. Zhou, ny tombombarotra lehibe azony amin'ity fihariana ity :
用印钞机来形容,真的毫不夸张。到目前为止,哪怕熔喷布价格涨成这样,普通的口罩的成本不超过6毛钱,正常时候就3、4毛,最高峰的时候5、6毛。基本上,现货批发价是两块钱以上…
Tsy hoe manitatra loatra ny fanaovana fampitahana azy amin'ny milina mpanonta vola raha hamariparitra ity fihariana ity. Na dia misondrotra avo aza ny vidin'ny siraka (fibre) notsofina mitsonika, dia tsy mihoatra ny 60 cents RMB (10 cent USD) amin'ny ankapobeny ny saram-pandanian'ny fiarovata tsotra iray. Raha ny tokony ho izy dia tokotokony ho 30-40 cents RMB ny vidiny ary ny faratampony amin'izany dia 50-60 cents. Ankehitriny ny vidiny amarotana azy any amin'ny mpamongady dia mihoatra ny 2 yuan RMB …
Any amin'ny lahatsoratra iray hafa, mivezivezy ao amin'ny Weibo, mpihary iray avy any Zhejiang no nolazaina fa mihoatra ny RMB 100 tapitrisa yuan (manodidina ny US$14 tapitrisa) ny tombombarotra tratrariny mandritra ny volana marsa.
Na i Etazonia na i Eoropa dia samy manana ny fenitra amin'ny vokatra ara-pitsaboana, ary mila afaka amin'ny fitsapana ara-kalitao ny mpamokatra sady mahazo sertifikà maro mba hahazoana lisansa sy alalana hanondrana any ivelany. Nanombana ny tsena i Martin Cun, mpandraharaha iray, ary nanoritra fa ny tena hery ho an'ny orinasa dia ny mahazo sertifikàn'ny kalitao avy any Etazonia sy Eoropa :
现在生产口罩就是印钞,当然前提是拿到欧美认证可以出口。现在单单一个法国就向中国下了20亿只口罩的订单,法国6700万人,而美国和欧洲加起来超过10亿人。美欧之后还有南美,南亚,东南亚,非洲……
Tahaka ny manonta vola ny mamokatra fiarotava saingy, mila mahazo ny sertifikà avy any Eoropa sy Etazonia ianao mazava loatra raha te-hanao fihariam-panondranana. I Frantsa monja izay manana mponina 67 tapitrisa, no nanao komandy 2 miliara avy aty Shina. Mihoatra ny 1 mimiara anefa ny fitambaran'ny mponina ao Etazonia sy Eoropa…
Simban'ny haratsin'ny fiarotava ny diplaomasian'ny fiarotava
Ankoatra ny tombony azo avy amin'ity fihariana mihamiroborobo ity, Noraisin'i Beijing ny politikan'ny “diplaomasian'ny fiarotava hanamafisana ny fifandraisana amin'ireo firenenkafa tena mila fitaovana ara-pitsaboana mafy dia mafy.
Na izany aza dia mety ho tsy mahomby araka izay nokasaina ity diplaomasia ity noho ny haratsin'ireo vokatra ara-pitsaboana shinoa. Hatramin'izao namerina fiarotava 60 tapitrisa i Holandy ary namerina kits fitiliana COVID-19 haingana miisa 58.000 tsy izy samy novokarina avy ao Shina i Espaina tamin'ny volana marsa.
Tao amin'ny gazetiboky antserasera iray, Atoa Chen, mpandraharahan'ny fanondranana, no namoaka ho fanta-bahoaka fa tsy miasa any amin'ny efitrano tsy misy vovoka — tontolo ilaina hamoahana vokatra ara-pitsaboana — ny 60 isanjaton'ny zotram-panambatambarana fiarotava ao Shina. Navoitrany fa misy ireo orinasa sasantsasany izay manana lisansa fanondranana no mividy fiarotava avy any amin'ny orinasa hafa mba hamenoana ny tinadin'ny tsena .
Nizara lahatsary zotra famokarana fiarotava ny mpisera Twitter @gan_run:
国内所谓的印钞机,工人手随便可以摸口罩,没有无尘车间,这就是卖给我们的高价口罩? pic.twitter.com/LWFntqldUo
— run gan (@gan_run) March 25, 2020
Ity ilay antsoina hoe milina manonta vola eto Shina. Afa-mandrairay fiarotava ny mpiasa ary tsy ilaozam-bovoka ny efitrano. Ka ireo ve ny fiarotava amidy lafo amintsika?
Raha maro ny firenena no tsy afa-po amin'ny kalitaon'ireo vokatra ara-pitsaboana, mingerongerona ihany koa ny olompirenena fa mora loatra ny ivarotan'ny orinasa azy ireny:
出口一个月,才102亿元,看来很多是捐赠出去的
Tsy misy afa-tsy 10,2 miliara yuan RMB ny totalin'ny sanda aondrana, tahaka ny hoe fanomezana ny ankamaroan'ny [vokatra] aondrana.
我们不仅要卖,而且要高价卖给美国! ! !
Tsy maintsy mivarotra ny vokatra isika, mametraka ny vidiny ho ambony dia ambony ho an'i Etazonia!
Nitatitra ny Fadintseranana Shinoa fa tanelanelan'ny 1 marsa ka hatramin'ny 4 avrily, toy izao manaraka izao ny vokatra naondran'ny firenena: 3,86 miliara ny fiaro tava, 37,5 ny kojakojam-piarovana, 2,4 tapitrisa ny thermometatra infra-mena, 16.000 ny vantilatera, 2.84 tapitrisa ny fehim-pitiliana COVID-19, ary 8.41 tapitrisa ny solomasom-piarovana.
Atombohy ny resaka

Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 1 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...