· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Jolay, 2008

Rosìa : Andron'ny Mpianakavy, ny Fifankatiavana ary ny Fanajana ny Fanambadiana

  10 Jolay 2008

Ny Andron'ny Fitiavam-bady sy ny fahasambaran'ny mpianakavy – nankalazaina tamin'ny faha-8 Jolay, Môskoa, Rosìa (sary nalain'i Veronica Khokhlova, mpanoratra ny lahatsoratra nadika) Nahazo andro tsy fiasana vaovao iray indray i Rosìa : ny Andron'ny Mpianakavy, ny fifankatiavana ary ny fanajana ny fanambadiana, izay ankalazaina isaky ny 8 Jolay. Amin'ny alalan'ny lahatsoratra nampitondraina ny...

Palestina: Vono olona sa horohoro mandripaka?

  09 Jolay 2008

Ny arabo irery ihany no mpampihorohoro … no vakin’ny lohahevitra ao amin’ny bloagy live from occupied palestine. Ny mpitoraka blaogy dia mindrana ny pejy voalohany mivandravandra (La Une) avy amin’ireo gazety israeliana sy vahiny taorian’i Husam Dwayat Taysir, Palestiniana iray monina ao Jerosalema, nitondra bulldozer iray namakivaky lalambe iray feno...

Global Lives Project: Fandraisan-dahatsarin'ny fiainan'ny olona 10 mandritra ny 1 andro

  07 Jolay 2008

Natsangana hampisehoana fiainan'olona folo samihafa avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao amin'ny fanarahana azy ireo sy handraisandahatsary azy ireo mandritra ny 24 ora ny Global Lives Project. Miaraka alefa amin'ny fotoana mitovy anatina toerana voaorina iray ahafahan'ny tsirairay mivezivezy mitsidika efitra 10 samihafa handefasana ny lahatsarin'ny andavanandrom-piainan'ireo nofantenana tsirairay ny 240 ora voangona.

Palestina : Nomena loka, avy eo nampijaliana ny mpanao gazety Mohammed Omer

  07 Jolay 2008

I Mohammed Omer dia mpanao gazety mbola herotrerony avy o Rafah, any Gaza. Vao herinandro maromaro lasa izao dia nahazo ny loka “Martha Gellhorn Award” izy noho ny fanadihadiana nataony mikasika an'i Gaza, raha vao 24 taona monja. Tamin'ny fiverenany nefa dia notazomin'ny Shin Beit i Omer, ary tapak'andro taorian'io...

Maraoka: Voarara hoe ny Al Jazeera ?

  07 Jolay 2008

Taorian’ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana tao Sid Ifni , izay nisy naratra maro – ary angamba koa maty, dia namoaka fanambaràna ny Al Jazeera nandritry ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, (nokarakarain’ny Foibe Marokana momba ny Zon’Olombelona), fa tsy an’asa maro nanao fihetsehana tamin’io andro...