‘Famoretana manahiran-tsaina mahazo ny fahalalahan-gazety’: Sakanan'i Pakistan ankitsirano ny Slate.com

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny 4 janoary 2020)

CENSORED website. Illustration by the author.

Fandravahana nataon'ny mpanoratra.

Manohy amin'ny fanakanana fahatany ny slate.com, gazetibokim-baovao an-tserasera iray miorina any Etazonia mitatitra ny trangam-piarahamonina, politika ary kolontsaina amin'izao fotoana ny manampahefana Pakistaney. Fanindroany izao no nanakanana ny tranonkala tao Pakistan tamin'ny taona 2019, ary fanintelony raha isaina hatramin'ny taona 2018.

Mbola tsy fantatra ny antony nanakatonana ny Slate tamin'ny volana jolay 2018 tamin'ny lohamilina Pakistaney. Araka ny tahiry avy amin'ny Open Observatory of Network Interference  (OONI), mbola nakatona indray ny gazetiboky tamin'ny volana jiona 2019 noho ny fitantarany ny Hetsika Pashtun Tahafuz (PTM). Mitaky ny zon'olombelon'ny vondrom-piarahamonina Pashtonina ao Pakistan io hetsika io. Na izany aza, araka ny tahiry avy amin'ny NetBlocks, nanan-kery nanomboka ny 2 novambra 2019 izany fandraràna izany. Tsy nahazoana filazana na fanambarana avy amin'ny manampahefana ny momba izany fandraràna izany.


Tahirin'ny NetBlocks mampiseho ny fihenana mazava tamin'ny fitsidihana ny slate.com ao amin'ny tambajotra PTCL nanomboka ny 2/11/2019.

Araka ny fandraketan'ny NetBlocks nozarain'i mpanoratra, raha voasakana mavesatra tao amin'ireo Mpanome Tolotra Aterineto (MTA=FAI=ISP) ao an-toerana ny slate.com hatramin'ny fiandohan'ny volana novambra 2019, dia andro samihafa kosa no nanakanan'ireo MTA isankarazany azy. Ohatra, nosakanan'i Nayatel tamin'ny 4 Novambra ny fidirana amin'ny tranonkala izay tsy mitovy amin'ny an'ny hafa efa nanomboka tamin'ny faha-2 novambra. Fanampin'izay, nitsitapitapy ny fanakanana ny Slate tao amin'ny tambajotra Zong (CMPak Limited). Tamin'ny fotoana nanoratana io fanambarana io dia azo nojerena tamin'ny serasera data an'ny Zong ny slate.com.

Nanamafy tamin'ny mpanoratra i Katie Rayford, talen'ny fifandraisana amin'ny Media ao amin'ny Slate, fa nijotso hatramin'ny 50 isanjato ny voivoy avy ao Pakistan hatramin'ny 1 Novambra 2019. Hoy izy:

It is deeply concerning that Pakistan, a democratic country with a constitution guaranteeing freedom of speech and expression, would once again choose to block a media outlet dedicated to bringing information and truth to readers and listeners around the world. It is even more alarming [that] officials did so without informing us — and more importantly its citizens — about their reason for censoring our reporting. We ask Pakistani officials for full transparency in their decision-making process and to reverse this disturbing crackdown on press freedom.

Tena mampanahy dia mampanahy tokoa izany hoe Pakistan, firenena demaokratika manana lalàmpanorenana miantoka ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra, no nisafidy indray hanakana sehatra fampahalalam-baovao iray manoka-tena hitondrana torohay sy fahamarinana ho an'ireo mpamaky sy mpihaino manerana izao tontolo izao. Vao mainka mampatahotra kokoa [ny hoe] nanao izany tsy nampilaza izany anay — ary ambonin'izany ny tsy nampilazàny tamin'ny olom-pireneny — ny anton'ny fanivànan'ny tompon'andraikitra ny fitateram-baovao ataonay. Mangataka mangarahara tanteraka amin'ny fizotran'ny fanapahankevitra amin'ny manampahefana Pakistaney izahay ary mangataka aminy hihemotra amin'ity famoretana manelingelina ny fahalalahan'ny gazety ity.

Araka ny fizarana faha-37 amin'ny lalàna fisorohana ny heloka bevava elektronika (PECA) tamin'ny taona 2016, dia nomena baiko ny hifehy, hanakana ary hanaisotra votoaty an-tserasera ny Fahefana Misahana ny Fifandraisandavitra ao Pakistan (PTA). Na izany aza, voatohitra tao amin'ny Fitsarana Ambony tao Islamabad (IHC) ny fahefan'ny PTA hanakana votoaty tsy misy fampilazana mialoha, namoaka didy ny Fitsarana Ambony fa tsy ara-dalàna ho an'ny manampahefana ny hanakana votoaty an-tserasera raha tsy mandrafitra ny didy araka ny voatondro ao amin'ny Lalàna. Mbola mila mamolavola sy mamoaka ireo fitsipika voalaza ireo koa anefa ny PTA..

Nisedra fanivànana an-tserasera mihamitombo hatrany, ao anatin'ny ezaka lehibe ataon'ny manampahefana hifehy sy hampikombom-bava ireo feo manivaka ao amin'ny firenena, ny mpisera Pakistaney. Maromaro ny trangan-tsivana an-tserasera ankarihary nolazaina nanakànana tranonkala iray manontolo na pejy na ampahany amin'ny tranonkala. Misy ihany koa ny raharaha voarakitra ofisialy ny fandrarana fitantarana na firesahana lohahevitra manokana na hetsika manokana toy ny filazana ny Hetsika Pashtun Tahaffuz. Nisy ireo seho fahitalavitra notapahana ny fampielezana azy noho ny fanakianana ny politikam-panjakana, ary nosakanana tsy mahazo manao antsafa ireo mpikambana ao amin'ny antoko mpanohitra.

Ankoatra izany, manampy trotraka amin'ny fiharatsian-toerana mihatra amin'ny fanoratan-gazety sy ny fahalalahan'ny vaovao/torohay ao Pakistanny famoretana mahazo ny fahalalahan-gazety sy ny fanehoan-kevitra amin'izao fotoana izao. Manitsakitsaka ny fahalalahana fototra hiteny eo amin'ny vahoaka, sy ny zo hahazo torohay arovan'ny Andininy faha-19 sy 19-A ao amin'ny Lalàmpanorenan'i Pakistan ny lalàna toa ilay Fisorohana ny Heloka Bevava Elektronika (PECA) izay manome rariny ny sivana ao anatin'ny filaminam-pirenena.

Mihamijotso hatrany isa-taona ny fahalalahana amin'ny aterineto sy ny gazety (ao Pakistan) araka ny tatitra Fahalalahana amin'ny Net sy ny Fahalalahana amin'ny Gazety. Ao amin'ny firenena demaokratika toa an'i Pakistan izay ireharehan'ny solontena ofisialy ny fahalalahan'ny gazety rehefa mahazo sehatra iraisam-pirenena, ny fikasana hanakombona ny tsy mitovy hevitra sy ny famerana ny fidirana amin'ny vaovao amin'ny alàlan'ny sivana tsy mitombina sady tsy ambara no mitaratra ny fihatsarambelatsihy amin'ny fomba fanapahan-kevitra demaokratika ao amin'ny firenena.

Fo mampitempo ny soatoavina hajain'ny fiarahamonina demaokratika ny fahalalaham-pitenenana sy ny fidirana amin'ny vaovao/torohay, ka raha tena hanaja ny soatoavina demaokratika i Pakistan, dia mila manaiky ny manampahefana fa tsy mandrafitra ny tsi-fitiavana fanjakana velively ny fitsikerana ny politikam-panjakana sy ny andrim-panjakana, tsy misy idiran'ny fiarovam-pirenena. ary tsy paikadim-bahiny ireny tsikera ireny. Amin'ny zavatra rehetra, toetran'ny fitondram-pahefana tsirefesimandidy ny famoretana ny feo mitsikera, ary mifanohitra amin'ny zavatra rehetra nanorenana an'i Pakistan ny fitondram-panjakana toy izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.