Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Novambra, 2015
Tsy Ara-dalàna Ny Fambolena Rongony An-Tavy Ao Meksika, Saingy Manoka-Baravarana Ho Amin'izany Ny Didin'ny Fitsarana Tampony
Mandeha ao amin'ny Fitsarana Tampony ao Meksika ny adihevitra amin'ny fanaovana ny rongony raviny ho ara-dalàna
Ahoana Ny Ataon'ny Mpanao Lalàna Rosiana Roa Te Handràra Ny “Fahapelahana” Imasom-bahoaka
Maro no nanantena ny Fitsarana tsy hankatò ny lalàna mandràra antsoina hoe "fampielezan-kevitra pelaka" eo anatrehan'ny tsy ampy taona, saingy tsy izany no nitranga. Ny tolo-kevitra vaovao avy amin'ireo mpanao lalàna roa, Nikitchuk sy Arefyev, dia manohintohina kokoa ny zo fototra Rosiana.
Takaro Ny Fizakàmanana Ao Amin'ny Tontolo Arabo
Tsy tokony hanitatra ny halavan'ny fepotoanan'ny zon'ny mpamorona ireo firenena Arabo nefa tsy handinika akory izay ho fiantraikany mety hisy amin'ny fahafahan'ny fiarahamonina miditra amin'ny fahalalàna sy ny kolontsaina
Afaka manana sy mamaky ‘Fanny Hill’ ankehitriny ny Singapaoreana, saingy mbola voarara ny Playboy
Nesorin'ny governemanta ny fandrarana boky aman-gazety 240 saingy mbola voarara kosa ny 17 satria vetaveta na mifanohitra amin'ny tombontsoam-pirenena.
Tanzaniana Efatra Voampanga Noho Ireo Vaovao Politika Nalefany Tamin'ny WhatsApp
Tanzaniana efatra no nosamborina sy voaheloka noho ireo tsikera politika nalefany tamin'ny fampiasàna fandefasan-kafatra WhatsApp.
Tsy tian'ny mpitondra fahefana ity fanazavana an-tsary mampiseho ny tokony hanitsiana ny lalàna fanimbazimbana ny mpanjaka ao Thailandy ity
Nampanantsoin'ny manampahefnaa miaramila ny toniam-baovao antseraseran'ny Prachatai ity noho ilay fanazavana an-tsary, izay heverin-dry zareo ho "manjavozavo ka mety hiteraka tsy fifankahazon-kevitra" ao Thailandy.
Volavolan-dalàna Vaovao Mangataka Ny Hibahanana Ny WhatsApp Sy Google Tsy Ho An'ireo Rosiana Manampahefana
Fanalahidin'ny fiarovana ny tsiambaratelom-panjakana ny fandraràna ny tsy hampiasàn'ireo Rosiana mpiasam-panjakana ny tolotra avy any ivelany toy ny Google, Yahoo!, ary WhatApp , hoy ny Rosiana iray mpanao lalàna.
Niova hevitra i Rosia, nangataka tamin'ny Twitter amin'ny hametrahana ny rakitahirin'ny Rosiana ho ao an-toerana ihany
Teo aloha ny Roscomnadzor niteny fa afaka amin'ny fepetran'ny lalànan'ny fametrahana fangitra rakitahiry ny Twitter satria tsy azo heverina ho "fampahafantarana manokana" ireo rakitahiry nangonin'ny Twitter.
Nanova Taovam-pananahana Ho Vehivavy Iray Ao Aceh (Indonezia) Mamory ny Heriny Noho Ny Fivoahan'ny Lalàna Vaovao Anti-Pelaka
"Mino aho fa mahazaka tsara ireo trangan-javatra ireo ny silamo," hoy izy nanampy. "Mino an'Andriamanitra aho, ary Andriamanitra dia tia. Tsy Andriamanitra ireo mandroaka anay. "
Any Okinawa Ka Hatrany Amin'ny Firenena Mikambana, Mbola Mitohy Hatrany Ny Hetsika Manohitra Ny Toby Miaramila Amerikana
Nankany amin'ny Firenena Mikambana ny Governoran'i Okinawa, Takeshi Onaga, mba hitatitra ireo fanitsakitsahana zon'olombelona lazainy fa nataon'ny governemanta Japoney sy Amerikana.