Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Janoary, 2023
Manodina ny adihevitry ny daholobe ho any Nepal ny ampamoaka nataon'ny #MeToo tsy ela akory izay
Niteraka fidinan'olona an'aliny eteny an'arabe tao an-drenivohitr'i Nepal ny fijoroana vavolombelona nataon'ny olona iray sisampatin'ny fanolànana. Nipoitra tety an-tambajotra ihany koa ny hetsika #justiceforsushmita (NyRarinyHoAniSushmita)
Olana mbola tsy ho foana ny fanararaotana ireo zaza tezain'ny fanjakana ao Jamaika, nefa ny rafitra ve no hotsiniana?
Tatitra iray no mitanisa amin'ny antsipirihany ny fifandraisana mampiahiahy misy amin'ny masoivoho mpanatanteraka sy ilay amerikana mpanorina fikambanana ara-pinoana iray, ampangaina ho manao fitondrantena tsy mendrika any amin'ireo toeram-pitaizana marobe ao amin'ny fanjakana
Mety hanafoana ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera ny didim-panjakana vaovaon'i Thailandy
“Fitaovam-pifehezana iray hafa ho an’ny manampahefana hampanginana ireo tsy fitovian-kevitra manakiana, ary taratry ny didy jadona nomerika ao Thailandy” ny didim-panjakana vaovao.
Ny olana amin'izao fotoana izao sy tsy mitsahatry ny herisetra an-tokantrano ao Zeorzia
Raha ireo mpikatroka mahamarika fa nandroso ny firenena tamin'ny lafiny ady amin'ilay olana, misy fifangaroana mahafatin'ireo fadifady ara-kolontsaina sy ny tsy fahampiam-pitaovana manasarotra ny fanovàna.
Mandroso ny zo ho an'ny tsiambaratelon'ny angon-drakitra araka ny lalàna vaovao ao Tanzania, saingy mbola misy ny sakana
Raha manome fiarovana ny tsiambaratelon'ny angon-drakitra manokana ny Lalàna momba ny Fiarovana ny Angon-drakitra, dia miteraka ahiahy lehibe eo amin'ny sehatra goavana izany, toy ny fanitsakitsahana ny fiarovana sy ny fahaleovantenan'ny Vaomieran'ny Fiarovana Angon-drakitra.
Ireo tsy voaaro: Ny zara fa mba fiarovana atolotry ny pôlisy ho an'ny vondro-mpiarahamonin'ireo LGBTQ+ ao Azerbaijan
Marobe ireo olona LGBTQ+ miatrika fanavakavaahana sy herisetra ao Azerbaidjan no zara raha afaka miantehitra amin'ireo pôlisy na ny rafi-pitsaràna ôfisialy
Mpitantana ny ara-pinoana ao Tiorkia, manambara fa tsy azon'ny vehivavy atao ny hivezivezy irery
Tsy vao sambany izao ilay sampan-draharaha misahana ny ara-pinoana ao anivon'ny fanjakana Tiorka no mamely mivantana ny vehivavy sy ny fahalalahan-dry zareo, amin'ny fampietrena ny toerany ao anivon'ny fiarahamonina
Antso hisian'ny hetsika amin'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny mpifindra monina: Atsaharo ny asa an-terivozona, avereno indray ny masoivohon'ny mpiasa
Vehivavy mpifindramonina no ankamaroan'ireo mpiasa an-trano any amin'ireo firenena anatin'ny CCG. Manana ny vahohony tanteraka amin'ny asan-dry zareo sy ny fiainany ireo mpampiasa. Mitanisa ny amin'izany sy manazava ny fanararaotana atao azy ireny ity lahatsoratra ity