Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Marsa, 2021
Nandritra ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy, nisafidy hiatrika ny herisetra atao noho ny maha-lahy na maha-vavy ireo teratany ao Trinidad & Tobago (#ChooseToChallenge)
Taorian'ireo vono olona roa ireo, nanandra-peo ry zareo Trinbagoniana ny amin'ny tokony hisian'ny dingana mazava atao hiarovana ny vehivavy.
Nampitandrina ny mpitsikera fa mety hanimba ny demokrasia ny hamehana ara-pahasalamana any Malezia
"Tsy tokony horaisina ho fahavalo sy hifanehitra amin'ny miaramila ny olon-tsotra."
Noraràn'ny Pakistan fanindroany ny TikTok
Nobahanana nandritra ny 10 andro ny TikTok tamin'ny Oktobra 2020. Naverina ny fidirana taminy rehefa nanome toky ny manampahefana ny orinasa renin'ny fampiasa ByteDance fa homena vahana ny fanalefahana.
Namela heloka ny lehilahy roa naniratsira azy tamina horonantsary niparitaka be ny filoha Mozambikana
Nosamborina ny iray tamin'izy ireo ary niteraka resabe tao amin'ny tambajotra sosialy ilay raharaha.
Taorian'ny taona maro nanaovana hetsi-panoherana, havadika ho Ivontoerana fiarovana biby ny valan-javaboarin'i Islamabad
Nifarana tsara ny taona 2020, taona niadian'ireo Pakistane hevitra tsy nisy ohatr'izany momba ny fampijaliana biby.
Fahalalahana an-gazety ao Jammu sy Kashmir: resadresaka nifanaovana tamin'ilay mpanao gazety Anuradha Bhasin
Niantsafa tamin'i Anuradha Bhasin, tonian-dahatsoratra mpanatanteraka ao amin'ny gazety Daily Kashmir Times ilay mpampita vaovaon'ny VideoVolunteers Basharat Amin, mba hamantarana ny zava-misy ankehitriny momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Jammu sy Kashmir.
HORONANTSARY: Hanenika an'i Amerika Latina ve ny “onja maitson'ny” zo hanala zaza any Arzantina ?
Tsy nahita mivantana ny dinidinika an-tserasera Global Voices Insights momba ny zon'ny fanalan-jaza any Amerika Latina tamin'ny teny Espaniola ve ianao ? Indro ny famerenana.
Niteraka fanehoan-kevitra maro ny fisamborana an'ilay mpikatroka ara-toetrandro Disha Ravi noho ny “fitaovam-pitolomana”
Hetsika fikomiana eto amin'ity firenena ity ny fanitsiana Google Doc ho fanohanana ny tantsaha amin'izao fotoana izao.
Nampiditra volavolan-dalàna “henjana” momba ny fiarovana amin'ny aterineto ao anatin'ny hetsi-panoherana mafana manohitra ny fanonganam-panjakana i Myanmar
"Azo heverina fa ny famoretana ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny aterineto sy ny fandrarana ireo tambajotra sosialy no tena tanjon'ny volavolan-dalàna."