Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Janoary, 2015
Hong Kong : Manakalo Elo Amin'ny Harona Fiantsenàna Ny Hetsiky Ny Mpiaro Ny Demôkrasia
Taorian'ny nampiasan'ny mpitandro filaminana hery tamin'ny fanadiovana ny mpanao hetsi-panoherana teo amin'ny toerana fanaovana hetsika any Mong Kok, nankahery ireo mpanohana azy ireo mpikatroka mafana fo mba handeha hiantsena àny ary mba ho marika fitakiana ilay toerana.
Tandindonin-doza Ny Mpanao Hetsi-panoherana, Tsy Maintsy Hampitombo Ny Mangarahara Amin'ny Fitakiana Angon-drakitr'Olon-tsotra i Hong Kong
Tsy hoe fotsiny nampitombo ny olan'ny fahalalahana miteny ny fisamborana mpanao hetsi-panoherana, fa koa nanasongadina ireo fomba fanao manjavozavo entin'ireo masoivoho mpampihatra ny lalàna ao amin'ny tanàna sy ireo mpanome tolotra aterineto mihazona ny mombamomba ireo mpampiasa azy
Ny Fikomiana ‘Tsy Mampiahiahin'i’ Alexey Navalny
Nanoritsoritra ny mpisolovava Murad Musaev fa ny fitazonana an'i Navalny tsy hivoaka ny trano dia “mifototra kokoa amin'ny fihetseham-po fa tsy araka ny lalàna.”
Voavely Karavasy Noho Ny Fananany Hevitra Liberaly Ilay Bilaogera Saodiana Raif Badawi
Novelesina karavasy imasom-bahoaka tao Arabia Saodita ilay bilaogera Saodiana liberaly Raif Badawi rehefa voampanga ho nanangana forum antserasera hoan'ny daholobe sy "nanevateva Islamo".
Vondrona Maro ao Singapaoro Tsy Manaiky Intsony ny Famonoana ho Faty Olona Mitondra Rongony 15 grama
Hoan'ny governemanta dia natao hanakiviana ny fanaovana heloka bevava ny fanasaziana ho faty. Asongadin'ny vondrona fa tsy mampihena ny isan'ny fanitsakitsahana ny lalàna ny sazy faratampony indrindra fa mandrisika ireo jiolahy hahery setra kokoa.
Fandàvana Fanitrihana Am-pàsana Ny Zazakely “rom” Tao Frantsa : Anelanelan'ny Hatezerana Amin'ny Maha-olona Sy Ny Fahabangàn'ny Lalàna
Nolavin'ny ben'ny tanànan'i Champlan ny handevenana zazavavikely iray tao amin'ny kaominina iadidiany satria hoe tany amin'ny kaominina hafa no natao ny filazana fahafatesana.