Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jolay, 2020
Ny famerenana fanisàna vato no hilaza ny vokatry ny fifidianana tao Goiàna hoy ny Fitsarana Antampony
Natao tamin'ny 2 Martsa ny fifidianana solombavambahoaka tao Goiàna. Ankehitriny, nandidy ny fitsarana antampony fa tsy maintsy mametraka ny tatitra ofisialy avy aminy ary mifanaraka amin'izay vokatry ny famerenana nanisa vatompifidianana ny Tale Jeneraly misahana ny fifidianana.
Milaza ho manaja ny fahalalaham-pitenenana nefa mamotopototra mpanao gazety sy mpitsikera ny governemanta vaovaon'i Malezia
Nilaza ny vondrona sivily fa nampiasaina hanjakazakana amin'ny fahalalaham-pitenenana ny Lalànan'ny Serasera sy ny Haino Aman-jery Marolafy.
Mihaika ny lalàna vaovao nolaniana momba fiarovam-pirenena tamin'ny fihetsiketsehana tsy misy mpitarika ny Hongkongers
Namintina ny fihantsian'ny mpanao fihetsiketsehana ny afisy lehibe iray. "Tianay p..y i Hong Kong" hoy ny fivakiny.
Miarahaba ny lalàna vaovao momba ny fiarahan'olona samy lahy/vavy ny vondrom-piarahamonina LGBTI
Vao dimy taona lasa izay ny diabem-pireharehana tao amin'ny firenena no noraràn'ny polisy fa hoe "ahiana loatra hampidi-doza" taorian'ny fandrahonan'ny vondrona mpankahala hômô hanao herisetra.