Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jolay, 2021

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jolay, 2021

Misaona ny fahafatesan'ny mpanoratra an-gazety iray i Georgia

Lesko no amantaran'ny mpiara-miasa aminy azy ao amin'ny TV Pirveli, hita faty tao an-tranony tamin'ny 11 jolay tao Tbilisi ny mpanoratra an-gazety sady cameraman Aleksandre Lashkarava, 37 taona.

Nisafaoka tamin'ny fanamavoan'ny vondrona fototra iraisampirenena ny CARICOM, raha i Haiti nametraka praiminisitra vaovao

Fanamarihana marikivy avy amin'ny CARICOM no nitsena ny antso iray nataon'ny vondrona iraisampirenena ho an'ilay praiminisitra voatendrin'i Jovenel Moïse mba hananganana “governemantan'ny marimaritra iraisana sy iarahan'ny rehetra ”, saingy tafapetraka ihany moa izy.

Maraoka: Polisy noratrain'ny fianakavian'ny mpanjaka

(Lahatsoratra tamin'ny volana Septambra 2008) Tranga roa no nampisokatra indray ny adihevitra mafana rehefa nangingina am-bolana maro ny tontolon'ny bilaogy maraokana. Ilay tranga vao haingana momba ilay bilaogera nogadraina Mohammed Erraji ny iray, mazava ho azy. Ny iray hafa dia ny vaovao momba ilay havan-davitry ny mpanjaka nitifitra polisy. Ireto...

Miteraka resabe ao Môzambika ny sarina ravin-drongony hita amin'ny zava-pisotro iray manome tanjaka

Lazain'ireo manampahefana fa mamporisika ny fanjifàna cannabis ilay zavapisoro, izay voarara ao Môzambika..

Miatrika fanadihadiana noho ny sarimihetsika fohy mampiseho ny herisetra nataon'ny polisy ireo mpanakanto sy mpikatroka Maleziana

"Natao hampanginana ny feontsika sy hanodinana ny tsindry ataon'ny vahoaka amin'ny trangam-pahafatesana any am-ponja tao anatin'ny volana vitsivitsy ireo fandrahonana atao amin'ny mpikatroka mafàna fo, mpanao gazety ary mpanakanto amin'izao fotoana."