· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Avrily, 2019

Koety: Navotsotra ilay bilaogera nogadraina

Taorian'ny tabataba teo an-toerana sy avy any amin'ny faritra, navotsotra tany Koety androany vao maraina ilay bilaogera Koesiana Bashar Al-Sayegh. Raha nankalaza ny famotsorana azy ny bilaogera sasany, ny hafa kosa nampitandrina fa mety ho marika faneriterena bebe kokoa izay mety hampihenana ny fahalalaham-pitenenana ao Koety izany.

27 Avrily 2019

Bahrain: Ao amin'ny tany misy lalàna

Gaga ilay bilaogera Bahrainita Khalid tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'ny governemanta - taorian'ny namoahan'ny Minisitry ny Atitany baiko handràra ny famoahana fahazoan-dàlana ho an'ny mpiasa avy any Bangladesh - ao amin'ny firenena izay mirehareha amin'ny maha-demokrasia azy amin'ny lalàna sy lalàmpanorenana ao an-toerana.

27 Avrily 2019

Kolombia: Nolavin'ny fitsarana momba ny lalàmpanorenana ny lalàna mifehy ny zon'ny mpamorona

GV Mpisolovava

Ny Alarobia alina 23 Janoary 2013, nanambara ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana Kolombiana fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ny andininy faha-13 sy faha-14 ao amin'ny Lalàna 1520, izay fantatra kokoa amin'ny hoe "Lalàna Lleras 2.0", milaza ny fitsarana fa "mandika ny zo fototry ny fanehoan-kevitra sy ny fifandraisana" ny lalàna.

24 Avrily 2019