Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jona, 2015
Mampalahelo, Tena Mampalahelo Ny Toerana Misy Ny Rafi-Pitsaràna Ao India
Misy ny hoe mihisatra, mihisatra mangirifiry ary avy eo misy ny hoe rafi-pitsarana ao India
Ry Mpiasam-mpanjakana Okrainiana, Isaoran'ny Sampam-pitsikilovana Rosiana ianareo Noho Ny Fiaraha-Miasa !
Nanao vazivazy tamin'ireo tompon'andraikitra Okrainiana izay misera amin'ny mailaka Rosiana mba hanairana azy ireo ny amin'ny loza mety ateraky ny fanaovana tàn-drametaka ny politika fiarovana ny fampitàm-baovao ny vondronà mpanao gazety iray
Raha Porofo ny Fanehoan-Kevitra an-tSerasera, Dia Manana Olana Fankahalana Afrikana i Shina
"Mandoa fankahalana an-tserasera ny maro mba hahatsiarovany tena ho maivamaivana kokoa nefa mientanentana ery hihaona amin'ny olona mainty amin'ny tena fiainana andavanandro."
Tsy Misy Intsony ny Internety: Endrika Môdelin'ny Vokatry ny ‘Zo Hohadinoina’ amin'ny Mili-Pitadiavana Rosiana
Mamela anao hikaroka ny voambolana rehetra ny "Fanadinoina", saingy ny setrin'izany kosa tsy misy ny torohay omeny anao amin'ny voambolana rehetra anaovana fitadiavana ankoatra ny iray ihany—ny anaran'ny filohan'i Rosia farany, Vladimir Putin (amin'ny teny rosiana)
Ibrahim Sharif, Gadra Politika Bahraini Nafahana Rehefa “Nahavita Ny Saziny”
To anatin'ny tsy nampoizina tokoa, nafahan'i Bahrain i Ibrahim Sharif, politisiana nofonjaina tamin'ny Martsa 2011, taorian'ny hetsi-panoherana goavana nanoherana ny governemanta. Miroso mankany amin'ny tena fanavaozana ve i Bahrain?
Manana Lisitra Mainty an'Internety Ihany Koa ny ‘Repoblika Entim-Bahoakan'i Donetsk’
Misy lalàna vaovao iray ao amin'ny fanjakana mpioko ao atsinanan'i Ukraine nampijoro lisitra maintin'ireo tranonkala ahitana vontoaty "voarara ao amin'ny repoblika" tsinjo ho manao lasibatra ny tranonkalam-pampitam-baovao okrainiana.
Ataon'i Kremlin Ho Toy ny Sosoa Voatapo-dRano Ve ny ‘Zo Hohadinoina’?
Voalaza fa nisy ny marimaritra iraisana teo amin'ny manampahefanan'i Kremlin sy ny Yandex, marimaritra iraisana mety hampahalemy ny drafi-dalàna manaraka izay hampiditra ny RuNet hanana "zo hohadinoina."
Inona Ny Nanosika Ilay Reny Tokantena Ao Shina Namela Ny Zananivavy Ho Fatin'ny Hanoanana?
Nitomany ary nanazava tamin'ny tafatafa i Xiang Heping fa nofatorany ny zananivavy 9 taona ary noferany tsy nisakafo sy tsy nisotro rano nandritra ny enina andro ho sazin'ny tsy fianarany tsara tany an-tsekoly.
Na Eo Aza Ny Fanoheran'ireo Orinasa, Miroso Ho Amin'ny tolodalàna “Zo Hohadinoina” i Rosia
Isisihan'ireo mpanao lalàna ny handaniana ilay tolodalàna vaovao iray izay hitakiana amin'ireo fitaovana fikarohana ao Rosia mba hamafa ny rohy mankany amin'ny mombamomba sy ny votoaty, niainga avy tamin'ny fangatahan'ireo mpampiasa
Mivondrona Aty Anaty Aterineto Ireo Fikambanana Indoneziana Hitaky Ny Rariny Mikasika Ny Famonoana Ilay Mahery Fon'ny Tontolo iainana
Taorian'ny fanambarana nataon'ny mpitondra tenin'ny Tantsambo Indoneziana iray, vondrona maromaro no nitambatra mba hanangana ny "Solidaritas4Jopi," ho fandisoana ny sahoan-dresaka milaza fa fa mety ho fiarovan-tena no nahatonga ny nataon'ilay namono an'i Peranginangin