Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2017

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Avrily, 2017

29 Avrily 2017

Nanakana Sehatra Media Sosialy Miisa 22 Tao Kashmir Ny Governemanta Indiana

GV Mpisolovava

"Amin'ny fanehoana ny lafiny hafa amin'ny tantara ao Kashmir, afaka naneho nandritra ny fotoana kely ny hasarotry ny tantara sy ny fifandirana tena sarotra ao Kashmir ny mponina ao an-toerana ."

Nilaza Ny Hetsi-panoherana Rosiana Fa Mitohy ny Tolona, na dia eo aza ny Fandraràna Federaly

Akon'ny RuNet

Na dia noraràn'ny mpampanoa lalàna androany aza, nilaza ny hetsi-panoherana “Rosia Misokatra” fa hanohy ny hetsika rehetra, anisan'izany ny drafitra fihetsiketsehana manohitra an'i Potinina manerana ny firenena androany Asabotsy.

26 Avrily 2017

Te Hiditra Mora Foana Amin'ny Tahirin'ny Fihaonan'Olon-droa Antserasera Ny Manampahefana Rosiana

GV MpisolovavaAkon'ny RuNet

Manantena hahita fitiavana ao Rosia ve ianao? Raha eny, ary mikasa hampiasa aterineto mba hihaonana amin'ny olona ve ianao, tsy dia an-takonana araka ny antenainao angamba ny tohiny.

24 Avrily 2017

Hisafidy Poizina? Ny Ortodoksia Rosiana sa ny Fandraràna Tsy Hampiasa Media Sosialy ?

GV MpisolovavaAkon'ny RuNet

Ireo mpanakiana an'i Vitaly Milonov, angamba ny faran'izay fatra-pifikitra amin'ny nentin-drazana mora tohina indrindra ao amin'ny Parlemanta Rosiana, dia nivoady ny hanao izay handraràna azy tsy hampiasa media sosialy ao amin'ny VKontakte, ilay tambajotra sosialy malaza indrindra ao Rosia, izay amoahany "fomba fiteny voarara" ao amin'ny mombamomba azy ety anaty...

Milaza Amin'ireo Mpiserasera Aterineto Mba Tsy Hanjohy Ireo Mpitsikera Ny Fitondrana Miaramila Ao Amin'ny Media sosialy i Thailandy — Raha Tsy Izany Hiatrika Ny Vokany

GV Mpisolovava

Niroboka lalindalina kokoa ny manampahefana Thailandey tamin'ny famerana ny fahalalahana miteny ho an'ny vahoaka. Taorian'ny fanagadrana olona noho ny zavatra lazain'izy ireo anaty aterineto sy ivelan'ny aterineto, sy ny fanenjehana ireo mpitsikera an-tsesintany, te hanapaka ny fifandraisan'ny olona izy ireo

Netizen Report: Nahitana Fanakatonana Aterineto in-31 i India Tamin'ny Taona 2016. Firy ny Fanakatonana Tao Amin'ny Firenenao?

GV Mpisolovava

Miaritra fanafihana antserasera ny fampahalalam-baovao tsy miankina ao Venezoela, mety hampiasa fanarahamaso faobe mba hanasaziana ny "fanomanana" heloka bevava i Japana, ary mitaky backdoors amin'ny fampiharana fandefasan-kafatra misy fanafenan-tsoratra ny Fanjakana Mitambatra.

23 Avrily 2017

Ho Anà Somaliàna Iray Mizaka Zom-pirenena Anglisy, “TebokaTsy Azo Iverenana” Ny Brexit

Ny Tetezana - The Bridge

"Tsy ilay Angletera izay nahalehibe ahy ity, ilay niriako fatratra hambara ho misy ahy."

21 Avrily 2017

RuPaul Ao Amin'ny RuNet : Tonga Any Rosia Noho Ny Fandikànteny An-tsitrapon'ireo Mpisera Amin'ny Aterineto Ny ‘Drag Race’

Akon'ny RuNet

Mahavalalanina, manan-talenta, pelaka sady voadika amin'ny fiteny rosiana : fihaonana amin'ireo mpandika teny izay mitondra ny fandaharana 'RuPaul's Drag Race' ho an'ny aterineto miteny rosiana.

Ilay Andro Nandraràn'i Rosia Ireo Vavolombelon'i Jehovah

Akon'ny RuNet

Hafahafa be ny mahita azy ity voasoratra, indrindra moa fa ny mahalala hoe tena marina ilay izy, saingy dia io izy io: noraràn'i Rosia tamin'ny fomba ofisialy ireo Vavolombelon'i Jehovah.

20 Avrily 2017

Ezahan'ny Parlemanta Albaney Sarotsaronana Amin'ny Resaka Fanavaozana Ara-pitsaràna Dia Dioviny ireo Politisiana Mpisoloky Ao Aminy, Hoy ireo Mpanakiana

Taorian'ireo hetsipanoherana, nolavin'ny filohan'i Albania ny hanasonia ilay lalàna izay mety hanala ny sazin'ireo politisiana marobe mpanao kolikoly. Saingy mety mbola hivadika ho lalàna ihany ilay izy, na ho inona na ho inona ataony.