Niova hevitra i Rosia, nangataka tamin'ny Twitter amin'ny hametrahana ny rakitahirin'ny Rosiana ho ao an-toerana ihany

"I'm so changeable!" Kremlin's Internet regulator is back to wanting Twitter data stored in Russia. Twitter bird image by Andreas Eldh on Flickr, CC-BY 2.0. Images mixed by Tetyana Lokot.

“Mora miovaova aho!” Niverina nitady ny rakitahirin'ny Twitter hotehirizina ao Rosia ny mpandrindra ny aterineto rosiana. Sarim-boron'ny Twitte nataon'i Andreas Eldh tao amin'ny Flickr, CC-BY 2.0. Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Nangataka ny hitehirizan'i Twitter ny rakitahirin'ny Rosiana miserasera ao aminy amin'ny lohamilina ao anatin'ny faritr'i Rosia ny sampan-draharaha fanarahamaso ny aterineto rosiana antsoina hoe Roscomnadzor. Ny fangatahana dia mifototra amin'ny lalàna fanomezana fangitra (localisation) ny rakitahiry izay nanomboka nanankery tamin'ny fanombohan'ny volana Septambra.

Manamarika kihondalana amin'ny politikan'ny mpanao fanivanana manoloana ireo tranonkalam-pamahanam-bilaogy fohy izao fangatahana vaovao izao, noho ny nilazan'ny Roscomnadzor tany aloha tany fa tsy tafiditra ao anatin'ny fepetran'ny lalàna ny Twitter. Tamin'ny 17 Jolay 2015 Atoa Alexander Zharov, lehiben'ny Roscomnadzor, niteny tamin'ny mpanao gazety fa tsy noheverin'ny mpanao sivana federaly ho “fampahafantarana manokana” ny karazan-drakitahiry nangonin'ny Twitter.

Saingy ankehitriny, nilaza ny mpandrindra fa nanova ny fifanarahana amin'ny fampiasana ireo torohay angonin'ny mpiserasera sy ny fitehirizana ireo torohay voalaza ireo ny Twitter ka tsy afaka intsony amin'ny lalàna ry zareo. Nilaza ny Roscomnadzor fa efa nanatona ny Facebook noho ny fanovàna ny lalàna anatiny ao aminy ihany koa ry zareo.

“Nanova ny fankatoavan'ny mpiserasera ry zareo volana maromaro lasa izay. Ary raha mamaky izany ianao, dia tsy maintsy manome amboaran'angotahiry ny olona, ary izany ao amin'ny fahatakaranay amin'ny ankapobeny dia mahatafiditra ny mombamomba ny olona tsirairay ary [manao izay hahazoana manatanteraka] ny famantarana olona iray manokana,” hoy ny lehiben'ny mpandrindra, Alexander Zharov, araka ny notsongain'ny Financial Times. Nandà ny haneho hevitra amin'ity raharaha ity ny solontenan'ny Twitter.

Ny lalànan'ny fanomezana fangitra ny rakitahiry dia manendry fa tsy maintsy mametraka ny rakitahiriny ao amin'ny lohamilina miorina ao anatin'ny sisintanin'i Rosia izay rehetra mpandraharaha an'aterineto manangona “fampahafantarana olona iray manokana” ahitana Rosiana mpiserasera, saingy mbola manjavozavo ihany ny famaritana izay heverina ho “fampahafantarana olona iray manokana” na izay lazaina ho “Rosiana” ao anatin'ny lalàna. Manana fahefana hanakana na hampandoa onitra izay orinasa tsy manaraka ny lalàna ny Roscomnadzor. Ireo manohana ny lalàna vaovao dia mihevitra fa hanampy amin'ny fiarovana ny rakithirin'ny mpiseraseran'ny RuNet sy amin'ny fanamafisana ny fiarovam-pirenena izany, raha milaza kosa ny mpitsikera fa ao anatin'ny fanirian'i Kremlin hifehy ny aterineto izany.

Araka an'i Zharov, manodidina ny 2,6 tapitrisa eo ho eo ny orinasa eto amin'izao tontolo izao mitahiry izany karazana mombamomba ny mpiserasera voatondro'ny lalàna vaovaon'i Rosia izany. Hita ao anatin'izany lisitra izany ireo fandraharahana tahaka ny AliExpress, Booking.com, Uber, PayPal, Samsung, ary Lenovo—ary ireo rehetra ireo dia efa nanaiky hividy na hanofa lohamilina ao Rosia, hoy ny nolazain'ny Roskomnadzor.

Nampanantena ny hanaramaso fandraharahana an'aterineto 317, Rosiana sy Iraisampirenena, mandrapahatongan'ny faran'ny taona 2015 ny Roscomnadzor, saingy nolazainy fa tsy ao anatin'ireo ny Google sy ny Facebook. Vao haingana teo, nanambara ny sampandraharaha rosiana misahana ny aterineto fa hanomboka hisava ny fidiran'ny tambajotra sosialy ao amin'ny lalànan'ny fanomezana fangitra ny rakitahiry amin'ny 2016, mbamin'ireo fandraharahana ara-bola an'aterineto sy tranonkalam-pivarotana antserasera. NIlaza i Zharov fa atao “ampahibemaso” araka izay azo atao” ny fisafoana ary nampanantena fa ho azo jerena amin'ny volana desambra amin'ity taona ity ny lisitry ny orinasa ho tratran'izany fisafoana izany.

Raha jerena amin'ny habetsaky ny Rosiana mpisera, dia hiteraka olana na amin'ny Twitter na amin'ny Facebook ny fanarahana ny lalànan'ny fametrahana fangitra amin'ny rakitahiry. Etsy ankilany, noho ny tsy fitakian'ireo tambajotra sosialy ireo ny porofo mahaolompirenena azy, dia ho sarotra ho azy ireo ny hamaritra hoe izay amin'ireo mpiserasera ao aminy no tokony hotondroina ho “Rosiana.” Mbola tsy mazava ihany koa raha handeha hatramin'ny fanakanana tanteraka ny Twitter na Facebook ao Rosia ny Roscomnadzor raha hihaika ny takian'ny lalàna izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.