Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Avrily, 2016
Fampiharana Vaovao Manampy Ireo Olom-pirenena Hamantatra Izay Fantatr'ireo Mpamatsy Aterineto Ao Hong Kong Momba Azy Ireo

Mamoaka taratasy iray ho an'ireo mpampiasa azy ho alefa amin'ireo mpanome tolotra aterineto sy ireo orinasam-pifandraisana amin'ny finday ny Access My Info mba hangatahany angon-drakitra mikasika azy ireo ihany.
Ampangain'ny Lehiben'ny Fampanoavana Rosiana ny “Faritra Havanana” Ho Nampiasa Ny Media Sosialy Hanonganana An'i Kremlin

Nilaza ny Lehiben'ny Fampanoavana fa nampiasa ny tambajotra sosialy Rosiana VKontakte ny mpikambana ao amin'ny "Faritra Havanana" hamoronany pejy azon'ny daholobe idirana ho mpikambana sy hanomanany " korontana faobe ary hetsika tsy nahazoana alàlana"
Hanery Ny ‘Bilaogy Ara-Politika’ sy ny Tranonkalam-baovao Hisoratra Anarana Amin'ny Fanjakana i Malayzia

Niampanga ny tolo-dalàna ho famerana ny fahalalahana maneho hevitra ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy ny mpiaro ny fahalalahan'ny media, milaza fa mamadika ny fampanantenana teo aloha nambaran'ny governemanta fa hampiroborobo ny fahalalahan'ny aterineto ny zava-misy.
Angamba Tsy Tokony Hihomehy An'ilay Lahatsary Malaza An'ilay Zazalahy Kely Shinoa Niaro Ny Renibeny Ianao
" Raha ny fianakavianareo no halaim-baraka sy vonoina, dia tsy hitsangana ve ianareo hamonjy azy? Tsy haiko izay mampihomehy anareo eo."
Mpikatroka LGBT Nosamborina Nandritry Ny Diaben'ny Taombaovao Bengali, Navotsotra Taty Aoriana Kely

Nitàna olona dimy ny polisy, noho ny filazana azy ireo ho nanao fitondrantena nampiahiahy sy ny filazana azy ireo ho nanandrana hanatanteraka fivorian'ny pelaka".
Famoretana Ny Media Ao Maldives Nitondra Ho Amin'ny Fanakatonana An-Terisetra Sy Fisamborana Mpanao Gazety

Nampiasa herisetra ireo polisy mpandrava korontana ary fitsifotra misy dipoavatra sy fisavàna vatana tamin'ireo mpanao gazety lahy sy vavy, izay niasa avy amin'ireo fikambanana media maromaro eo an-toerana
Ho An'ireo Mpampahalala Vaovao, Torohevitra Voavao Momba Ny Fandrakofana Resaka Famonoantena Avy Amin'ny Rosiana Mpanivana

Mifototra amin'ireo torolàlan'ny OMS ny torohevitra aroson'ny Roscomnadzor ho an'ireo media mpampahalala vaovao Rosiana mitatitra momba ny olan'ny famonoantena, saingy mila "asa bebe kokoa" mba hifanaraka amin'ny lalàna Rosiana.
Tsy Misy Mifanaraka Amin'ny Fotopinoana Mihitsy Ny Fomba Ataon'ireto Pretra Rosiana Ireto

Manadihady momba nipetrahan'ny angidimby iray hafahafa tao amin'ny arabe iray migodàna tao ivelan'ny tanàna ny biraon'ny fampanoavana ao amin'ny distrkan'i Nizhny Novgorod. Lahatsary azo avy amin'ny Dashcam ary ahitàna lehilahy manao fitafiana toy ny pretra
Nanasonia Fifanarahana Maha-be Adihevitra Handroahana Mpitsoaponenana Mankany Torkia Ny Vondrona Eoropeana
hamerina ireo mitady fialokalofana avy amin'ny zom-pirenena rehetra ankoatra ny Syriana any Torkia ny Vondrona Eoropeana manomboka ny 20 Marsa, ary hanaiky handray Syriana mpialokaloka iray isaky ny misy mpialokaloka [hafa firenena] iray hafa voaroaka
Grand Prix Formule 1 Tao Bahrain Niafara Tamin'ny Loza: Ali Abdul Ghani, 17 Taona, Maty Vokatry Ny Fisamboran'ny Mpitandro Ny Filaminana
Taorian'ireo afomanga, ireo fiara mamirapiratry ny fifaninanana ary ireo fankalazana ny Loka Lehibe Formula 1 tao Bahrain, zazalahy iray 17 taona, Ali Abdul Ghani, no namoy ny ainy.