Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Novambra, 2021
Manavotra aina ny sarontava, saingy lasa olana goavana ihany koa
Nampitombo be tsy nisy toy izany ny habetsahan'ireo fako plastika ny fisian'ilay valanaretina ary, ao Nepal, ny ankabeazan'ireny fako ireny dia tsy navahana na nolevonina araka ny tokony ho izy.
Lalàna maneritery: lalàna vaovao ho an'ny heloka an-tserasera ao Libia
"Ny fotoana nanambaràna ilay lalàna, niaraka amin'ny hoe tsy ho ela intsony ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, dia nahatonga ny maro hanontany tena momba ny tanjon'ny fanapahankevitra tahaka iray tahaka izao."
Taiwan: Takian'ireo niharan'ny lahatsary vetaveta nampiasàna “deepfake”ny hisian'ny lalàna vaovao manohitra ny herisetra ara-nofo any anaty habaky ny aterineto
Nisarika ny sain'ny daholobe hisaina momba ny heloka bevava mifamatotra amin'ny AI (faharanitantsaina voatrolombelona) ny nisamboran'i Taiwan tsy ela akory izay an'ilay YouTuber malaza, Xiao Yu, Zhu Yuchen, noho ny filazana azy ho nivarotra lahatsary vetaveta
Any Georgia, nandresy tamin'ny fifidianana fihodinana faharoa ny antoko Dream Party
Tao anatin'ny krizy ara-politika naharitra nanomboka hatramin'ny volana Oktobra 2020 no nanaovana ny fifidianana teo an-toerana, rehefa nanohitra ny fandresen'ny antokon'ny fitondrana Georgian Dream tamin'ny fifidianana parlemantera ireo vondrona mpanohitra.
Mihamaro ireo mitaky hamotsorana an'i Zhang Zhan, olon-tsotra mpampita vaovao mety ho faty any amin'ny fonjan'i Shina tanibe
Nandrisika an'i Shina nandritra ny volana maro ireo vondrona iraisam-pirenena mpiaro ny zon'olombelona mba hamotsotra ilay olon-tsotra mpanao gazety Zhang Zhan. Nanatevin-daharana ny antso ny governemanta Amerikana tamin'ny 9 Novambra satria miharatsy ny fahasalaman'i Zhang, ary mety tsy ho tafavoaka velona any am-ponja amin'ny ririnina ho avy izy.
Torkia: tatitra vaovao manasongadina ny fihitaran'ny sivana anjotra
Manazava ny ny tati-baovao fa hisy "voka-dratsy mangidy sy manimba" amin'ny fahalalaham-pitenenana ao Torkia ireo andianà fanitsiana natao tamin'ny lalàna Tiorka laharana 5651.
Takian'ny Thailandey mpanao fihetsiketsehana ny anafoanana ny lalànan'ny fanivaivana mpanjaka
"Mihevitra izahay fa tsaratsara kokoa ny miaina ao amin'ny fiarahamonina tsy anagadrana olona noho ny fanehoan-keviny ara-politika, mitady fiarahamonina tsara kokoa..."
Pandora Papers: Nepaley 16 nampiasa vola tsy ara-dalàna tamin'ny orinasa offshore any amin'ny paradisan'ny hetra
Navoakan'ny Pandora Papers ny habetsak'ireo mpandraharaha sy orinasa nepaley mampiasa ny paradisan'ny hetra hanafenam-bola sy isorohana fandoavan-ketra.