Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Janoary, 2022
Bangladesh : Fifandonan'ny olombelona sy ny elefanta, mety hitondra any amin'ny faharinganan'ny elefanta
Hatramin'ny Janoary 2020, nisy efa ho telopolo tany ho any ireo elefanta mponina maharitra sy mpivenjivenjy no nisy namono tany amin'ny faritr'i Bangladesh. Tamin'ny Novambra 2021 fotsiny, fito no maty
Mbola tsy mivaha ny raharaha lazaina fa nanapahan'ny polisy jamaikana ny dreadlocks ny vehivavy iray
Ramatoa King no tandindon'ny 'tsy manana;' ao Jamaika, izay tsy raharahiana ny zo maha-olombelona azy ary matetika tsy voahaja sy araraotina.
Erdoğan sy ny adin'ny AKP amin'ny zavakanto sy ny kolontsaina
Tao anatin'ny taona maro taorian'ny niakarany teo amin'ny fitondrana, nifehy tsikelikely ny ankamaroan'ny sehatry ny zavakanto sy kolontsaina tao amin'ny firenena ny Antokon’ny filoha Erdoğan Rariny sy Fampandrosoana (AKP).
Herintaona taty aoriana, mbola mitohy ny fanoheran'ny Oniversite Boğaziçi
Na dia nesorina aza ilay rektora notendren'ny governemanta mampiady hevitra, Melih Bulu, mbola manohy manao fihetsiketsehana ao amin'ny anjerimanontolo ny mpampianatra ambony sy ny mpianatra.
Lasibatry ny Minisiteran'ny Atitany amin'ny vesatra fampihorohoroana mampiady hevitra ny Kaominina Istanbul
Ity fanadihadiana ity no fifandirana farany indrindra teo amin'ny Antokon’ny fitondrana Rariny sy ny Fampandrosoana (AKP) sy ny Antoko mpanohitra lehibe Antokon'ny Vahoaka Repoblikana (CHP).
Manambara ny fikatonany ny seha-baovao iray mahaleotena ao Hong Kong antsoina hoe Citizen News
Natsangan'ny mpanao gazety menavazana tamin'ny taona 2017 ny Citizen News. Tamin'izao filazana ny fikatonany izao, nilaza ny ekipam-baovao fa tsy afaka manatanteraka ny idealiny tsy misy fanahiana ry zareo.
Tsy niraharaha ny fangatahan'ny governemanta malayziana hanivana sioka momba ny famaliana tondra-drano ny Twitter
Voapetaky ny governemanta malayziana marika hofafàna ny rantin'ireo mpisera Twitter mitsikera ny fitarazohan'ny fomba fiasan'ny governemanta tamin'ny tondradrano, nampahafantarin'ny Twitter ny mpiserany ny fangatahana fa tsy nosivaniny.