Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jolay, 2019
Boky vao navoaka, manolotra ireo endrika zara raha nanaovana fikarohana momba ny tetezamita politika sy ny fampahalalam-baovao ao Myanmar
"Nefa araka ny voamarik'ireo maro nandray anjara, na nisokatra aza ny habaky ny fanehoankevitra, tsy nihena ny fampitahorana atao amin'ireo mpanao gazety sy mpikatroka."
Niteraka fihetsiketsehana sy adihevitra ny fandraràna posiposy amin'ny làlan-dehibe any Dhaka, Bangladesh
Nahitana hetsi-panoherana mahery vaika avy amin'ireo mpitarika posy sy ireo mpisera aterineto sasany izay mampiasa ity fitaovam-pitaterana mahazatra ity ny fandraràna ny posiposy amin'ny lalan-dehibe telo ao Dhaka.
Voampanga ho nikomy ny filoha lefitr'i Filipina sy ireo hafa mpitsikera an'i Duterte
Nametraka fitoriana fikomiana sy fiampangana hafa hamelezana ny filoha lefitra Leni Robredo sy olona 35 hafa ny polisin'i Filipina, fiampangana izay misy ifandraisany amin'ny famoahana horonan-tsary antserasera manendrikendrika ny fianakavian'ny filoham-pirenena Rodrigo Duterte ho manana fifandraisana amin'ny hetsika fanondranana rongony tsy ara-dalàna.
Shina: Rahonan'ny sivana aterineto Amerikana
Andro vitsy taorian'ny kabarin'ny Sekreteram-panjakana amerikana Hillary Clinton momba ny fahalalahan'ny aterineto, nosakanan'ny SourceForge.net (fitehirizana loharano kaody tovozona malalaka) ny fidirana amin'ny adiresy IP avy any Kiobà, Iran, Korea Avaratra, Sodana ary Syria.
Mampiseho ny fanaovan’ny governemanta antsirambina ny toeram-bakoka any Bangladesh ny fandravana ny tranobe tranainy efa 150 taona
"Nanana endrika niavaka izay tsy fahita firy amin’ireo tranobe hafa hita any amin’ireo faritra tranainy ao Dhaka ny tranobe. Noho izany, nilaina ny fanarenana azy."
Miara-misakafo amin’ny ben’ny tanana ny Kazakhs bilaogera sasany, ny hafa kosa ampidirina am-ponja
Bilaogera Kazakh telo no nogadraina am-ponja nandritra ny 10 andro noho ny fanaovana hetsi-panoherana teo ivelan'ny trano fisakafoanana izay nihaonan'ny ben'ny tanàna tamin'ireo bilaogera tao an-toerana.
Zo hahazo vaovao: Manoloana ny lalàna vaovao momba izany, hanara-dia an'i Nizeria ve i Ghana?
Manamafy ny UNESCO fa "ampahany feno amin'ny zon'ny fahalalahana maneho hevitra ny fahalalahana hahazo vaovao." Ao amin'ny faritra, voasoratra ao amin'ny Sata Afrikanina momba ny Zon'olombelona sy ny Vahoaka sy ny Fanambarana ny fitsipika momba ny Fahalalahana maneho hevitra ao Afrika ny zo ho an'ny fahalalahana maneho hevitra.
An'hetsiny no nanao fihetsiketsehana tao Hong Kong manohitra ny volavolan-dalànan'ny fampodiana olona ho any Shina
Nilaza ireo mpanao fihetsiketsehana fa ho mora ho an'i Shina tanibe ny hisambotra ireo mpitsikera, mpanohitra ary eny fa dia ireo mpanao gazety ao Hong Kong aza amin'ity fanitsiana ny volavolan-dalàna natolotra ity.