Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Novambra, 2010
Syria: Filazana mikasika lalàna vaovao momba ny fanontàna anaty aterineto

Tonga amin'ny dingana farany amin'ny fanekena azy izao ny lalàna vaovao iray momba ny e-publishing (fanontàna amin'ny aterineto) any Syria. Nahazo fandrakofana bebe ihany ity lalàna ity hatramin'ny nanombohan'ny fandrafetana...
Thailandy: Fatin-jazarano 2000 tao amina toeram-pivavahana Bodista
Maherin'ny 2000 ireo zazarano nalàna tsy ara-dalàna tratra tao amin'ny toeram-pivavahana Buddhist tany Thailand, ary namelona indray ny adihevitra izany momba ny hoe sao dia efa tonga ny fotoana tokony hanavaozana ny lalàn'ny firenena momba ny fanalàn-jaza. Mizara ny heviny ireo mpampiasa aterineto.
Singapore: Mitombo ny herisetra ataon'ny jiolahy
Nanjary sehatra nifaneraserana ny rohy twitter #slashing sy #369 tato ho ato. Malaza amin'izany ny zava-niseho fandratrana amin'ny sabatra nataon'ireo andian-jiolahy tanora mitondra ny anarana hoe 3-6-9. Matahotra sady tezitra ny...
Ejipta: Afaka i Kareem Amer!
Taorian'ny 1470 andro nolaniany tany am-ponja, afaka ihany nony farany ilay Ejiptiana mpitoraka bilaogy Kareem Amer. Nihoatra 10 andro amin'ilay efatra taona voatondro hohefainy noho ny faniratsirana ny Silamo sy ny Filohan'i Ejipta Mohammed Hosni Mubarak tao amin'ny bilaoginy (Ar) izany
Serbia: Polisy Mihaza vondrona Facebook mankahala vehivavy
Ny Lehiben'ny Fampanoavana Serba, miara miasa amin'ny Ministeran'ny Atitany Serba, dia nanao fanadihadiana mikasika ny vondrona Serba ao amin'ny Facebook "Fahafatesana ho an'ny vehivavy“ ("Smrt ženama"), izay nampiely fahankahalàtrna vehivavy.
Goatemalà: Tahirin-kevitra manazava ny momba fampanjavonana olona
Lasa fitaovana hiadiana amin'ny tsy fahazoana sazy ireo rakitra sy tahiry ofisialy, ka manome porofo ahafahana manenjika ireo mpanao ratsy. Nanampy tamin'ny famahàna raharaha iray momba ny fakàna an-keriny tany Guatemala ny fahazoana alalana amin'ny tahiry.
Manàkana tranonkala 256,110 i Thailandy amin'izao fotoana

ny Mpifikitra amin'ny nentim-paharazana, ny Mpitarika ny fanapariaham-baovao mpomba ny Fitondram-panjaka dia samy voalohany avokoa namoaka ny fanambaràn'ny governemanta momba ny sivana mihatra amin'ny aterneto nanomboka tamin'ny Jolay. Sempotry ny fanasana atidoha avy amin'ny Mpitarika, fantatsika fa ny komandy vaovao ao amin'ny afika dia nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa (MOU) tamin'ny minisitry ny TIC (Teknolojia Vaovaon'ny Fifandraisana) sy ny minisitry ny Fitsaràna ary ny kolontsaina. Tranonkala vaovao miisa 43.000 no voafaritry ny MOU fa tsy maintsy sakànana tsy misy hatak'andro ary 3.000 mihantona noho ny faniratsirana mpanjaka.