Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Avrily, 2013
Manao Tolo-dalàna Handrara Ny Fanalanjaza Ny Mpanao Lalàna Okraniana
Tany am-piandohan'ny volana Aprily, parlemantera 3 n'ny antoko mpanohitra "Svoboda" ["Fahafahana"] no nametraka volavolan-dalàna mety handraràna ny fanalan-jaza any Okraina. Tetyana Bohdanova mitatitra ireo fanehoankevitra ao amin'ny aterineto mikasika io tolo-dalàna io.
Mpikatroka Mafàna Fo Mpiaro Zon'olombelona, Nampanantsoin'i Arabia Saodita Mba Halaina Am-bavany
Omar Al-Saeed, mpikambana ao amin'ny Fikambanana Saodiana Mpiaro ny Zo Sivily sy Ara-politika (ACPRA), dia voaantso halaina am-bavany tamin'ny 22 aprily ary mbola nangatahana hiverina amin'ny herinandro ho avy. Izy no farany indrindra hatreto amin'ireo mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona nalaina am-bavany sy miatrika fitsaràna ao Arabia Saodita.
Vehivavy Noraràn'ny Fitsarana Saodiana Tsy Hanatrika Ny Fotoam-pitsarana Ireo Mpikatroky Ny Zon'Olombelona
Folo andro taorian'ny fanomezan-dalana ilay vehivavy Saodiana voalohany hanana mpisolo vava, noraràn'ny fitsarana tsy hanatrika ny fotoam-pitsarana ilay mpikatroka Dr. Abdualkareem al-Khudar izay misokatra ho an'ny daholobe ny vehivavy, mpikambana mpanorina ny Fikambanan'ny zon'olombelona voalohany...
Hobitsihana, Halefa Mailaka sy Bilaogy Ny Fifidianana Ho Manaraka Eo Ao Japana
Nankato ny volavolan-dalàna izay hahafahan'ny mpanao politika milatsaka ho fidiana mampiasa Twitter sy bilaogy i Japana ary mamoaka dokambarotra mampiasa aterineto mandritra ny fampielazan-kevitra ataony. Hatramin'ny herinandro lasa, ireo Japoney mpilatsaka ho fidiana dia tsy maintsy nitandrina fatratra tamin'ny fitetezana ny pejy Facebook-ny, ny kaonty Twitter sy ireo bilaogy mba hialana amin'ny fandikan-dalàna hentitra mikasika ny fifidinana eo amin'ny firenena izay mandràra ny hetsika ara-politika eny anaty aterineto.
#FreeRod (Fanafahana An'i Rodrigo): Fandresena Mialoha Tamin'ilay Raharaha Fakàn-Tahaka Maneso Tamin'ny Twitter
Nitatitra momba ilay mpisera Twitter Shiliana Rodrigo Ferrari, izay manana raharaham-pitsarana noho ny fampiasana kaonty Twitter maka-tahaka maneso ilay milionera Andrónico Luksic ny Global Voices Advocacy tamin'ny volana Marsa. Manam-baovao tsara momba izany...
Hong Kong : Lehilahy Iray Nosamborina Noho ny Fanompana Ny Filohan'i Shina Tamin'ny Graffiti
Tafintohina tamin'ny fihoaram-pahefana nataon'ny polisy ny mpiserasera tao Hong Kong tamin'ny fisamborana lehilahy iray 46 taona noho ny fanoratana tao an-dalantsaran-tohatry ny trano fanorenana lehibe iray ao amin'ny distrikan'i Ma...
Voaolana? Raiso Ny Vola, Dia Mangina! Hoy Ny Polisy Indiana
Nanome vola mangingina 38 dolara ho an'ny rain'ilay zazavavy 5 taona lasibatry ny fanolanana sy fakàna an-keriny ny polisy ao andrenivohitra Delhi mba hanadinoina ity herisetra mahery vaika ity, niteraka fahatezerana...
Zambia: Nanome Baiko Hisambotra Ireo Vehivavy Manao Fitafiana Tsy Mendrika Ny Mpitsara
Nanome baiko ny polisy hisambotra ireo vehivavy manao fitafiana tsy mendrika (mitanjaka) ny mpitsara vehivavy ao amin'ny fitsarana ambony ao Zambia. Matetika voatebaka imasom-bahoaka ireo vehivavy ao Zambia ary indraindray...
Mpanao Politika Filipiana Mifandray Aminà Kaonty Any Ivelany
Ny Ivontoerana Filipiana ho an'ny Fanaovana Fanadihadiana an-Gazety (PCIJ) dia nitatitra fa mponina Filipiana 500, anisan'izany ireo mpanao politika matanjaka sasany, no anatin'ireo nitazona kaonty any ivelany taorian'ny nandraisany anjara taminà tetikasa fiaraha-miasa manerantany izay nandinika ireo antontan-taratasy nivoaka an-tsokosoko momba ny orinasa sy vondron'orinasa maherin'ny 120 000 any ivelany.
Però: Miala Any Indray ilay Volavolan-dalàna Mahabe Resaka Momba Ny Heloka Amin'ny Fampiasàna Informatika
Tamin'ny herinandro lasa teo, volavolan-dalàna roa goavana mahakasika ny fahalalahana no hita tao anaty fandaharam-potoanan'ny Kaongresy peroviana, saingy tsy nodinihana tamin'ny fotoana farany. Ny voalohany dia ny lalàna momba ny heloka amin'ny fampiasàna ny informatika - fantatra amin'ny anarana hoe #LeyBeingolea - ary ny faharoa, mitondra ny anarana hoe Lalàna manohitra ny "négationnisme", izay mahabe resaka ihany koa, dia mikendry ireo "mankasitraka, manamarina, mandà na manamaivana ny fandikàn-dalàna nataon'ireo mpikambana aminà fikambanana mpampihorohoro".