Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Desambra, 2018

31 Desambra 2018

India: Lavin'ny fitsarana ny fanalàna zaza noho ny antony ara-pahasalamàna

Milaza ny lalàna iray mikasika ny fanalana zaza ao India fa raha toa ka latsaky ny 20 herinandro ny fitondrana vohoka dia mbola azo atao izany, raha tsy hoe miantraika amin'ny ain'ilay reny. Izany indrindra no nanjo ireto mpivady izay nangataka ny alalan'ny fitsarana, kanefa nolavin'ity farany.

KISARY FANAZAVANA: Vola Bebe Kokoa Ho An'ny Polisy Mizihi-kibo Ao Okraina

Milaza amintsika ireo kisary fanazavàna mikasika ny fampiharana lalàna ao Okraina izay nozarain'ny Okrainiana maro mpampiasa Facebook tamin'ity volana ity fa somary maro loatra ny polisim-pirenena ary mahazo famatsiambola bebe kokoa foana avy amin'ny fanjakana nandritra izay taona vitsivitsy lasa izay.

28 Desambra 2018

Meksika: Nantenaina Hanova Zavatra ilay Ezaka Fandarohana Baomba

Na dia tsy nahatratra ny tanjony tao amin'ny Tanànan'i Meksika aza ilay daroka baomba, maro ireo bilaogera maminavina fiovàna. Misy ireo mihevitra fa hiova ireo lalàna, hamela ny fikarohana tsy misy didy sy ny fangiazana tsy ara-dalàna, ao kosa ireo mihevitra fa tsy ho azo antoka intsony ny fandehanana an-dàlambe

Manampahefana Syriana telo karohin'i Lafrantsa noho ny fahafatesan'ny Frantsay-Syriana miisa roa

Anaovana fitadiavana ny manampahefana miisa telo noho ny fihazonana sy izay mety ho fampanjavonana an-katerena Fantsay-Syriana miisa roa, Mazen Dabbagh sy i Patrick zananilahy.

27 Desambra 2018

Serbia: Fihetsik'ireo Blaogera Afrikana Manoloana Ny Nisamborana An'i Karadžić

Taorian'ireo vaovao nilatsaka tamin'ny Alatsinainy hariva hoe voasambotra ilay mpitondra Bosnian Serb teo aloha sady iray tamin'ireo olona tena nokarohina fatratra erantany Radovan Karadžić , dia nanomboka naneho hevitra mikasika ilay tantara avokoa ireo blaogera ankon'ny fahagagana tao Balkans sy ireo rehetra erantany. Ary noho ny fangatahan'ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalàna...

Hamarana ny krizy politika ao Sri Lanka ve ny famerenana amin'ny toerany ny praiminisitra Ranil Wickremesinghe?

" Ho hitantsika eo raha fa-mitraka mihoatra noho teti-panorony ara-politika sy izay kinendrin'ny tenany manokana ireo mpiantsehatra fototra amin'ity teathra ity hamahana zavatra maro."

25 Desambra 2018

Kroasia: Ireo Fanehoankevitra Mikasika Ny Fisamborana An'i Karadžić

Na dia tsy nijaly be loatra noho ireo Bosniaka teo an-tanan'i Radovan Karadžić aza, mizarazara be ny hevitr'ireo Kroaty, na dia afa-po aza tamin'ny fisamborana azy ny ankamaroany ary niandry amim-paharetana ny andro izay hitsaràna azy. Ireto hevitra vitsivitsy avy amin'ny tontolombolongana Kroat

21 Desambra 2018

Mamaly ny Fangataham-pisarahan'ilay Zazavavy Yemenita 8 Taona ireo Mpampiasa Aterineto ao Maghreb

Mamaly lahatsoratra iray navoakan'ny Yemen Times (pejy voafafa) momba an'ankizivavy kely iray 8 taona miezaka mametraka fisarahana ara-panambadiana aminà lehilahy iray 30 taona voalazany fa noteren'ny rainy hovadiany ny bilaogera Toniziana Stupeur!! Un nouveau depart!!.

20 Desambra 2018

Efa Hita amin'ny Teny Espaniola ny Torolàlana ‘Manorata Bilaogy ho ana Fotokevitra!’

Efa hita amin'ny teny Espaniola ny Blog for a Cause!, ilay Torolàlana ho an'ny Blog Advocacy (Fiarovana amin'ny alàlan'ny Bilaogy) nataon'ny Global Voices, isaorana i María Florencia Puente avy ao amin'ny Global voices en Español tamin'ity dikateny ity.

18 Desambra 2018

Novonoin'ny Federasionan'ny Fanatanjahantena Ireo Nofinofin'ny Olaimpiana Hoy ny Didy Avy Amin'ny Tribonaly ao Trinidad & Tobago

Nisy fivadibadihanana sy fihodikondinan-javatra mihoatra lavitra noho ny zimnastika fanao mahazatra ny antambo rehetra, saingy nihevitra ny rehetra fa tsy ara-dalàna ny fanalàna ankeriny an'i Williams ary niady mafy ireo mpisolovava azy hatramin'izay mba hahazoany rariny.