Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Septambra, 2021
Mitolona hiaro ny sehatra maitso sisa tavela ao an-tanàna ireo mpiaro ny tontolo iainana ao Torkia
Nanomboka ny taona 2014, miady mba hampisy ireo tetikasam-pandrosoana any anaty ala ny Antokon'ny Fampandrosoana sy ny Rariny (AKP), ka mahatezitra mafy ireo mpiaro ny tontolo iainana ao amin'ny vondrom-piarahamonina.
Voaheloka amin'ny famonoana olona fanindroany indray ny filoha teo aloha an'i Suriname Dési Bouterse—fa ho ampidirina am-ponja ve izy?
Raha tsy migadra amin'ity fanamelohana faharoa ity i Bouterse, dia maro ireo mahita azy ho mpamono olona tsotra izao.
Nitsahatra tsy niasa ny tranokalam-baovao The Online Citizen ao Singapaoro rehefa naaton'ny fanjakana ny fahazoan-dalany
Natao hiteraka tahotra ao an-tsain'ireo izay mety ho mpamatsy vola sy mpamandrika ny fitsipika fahazoan-dalana mba hanakanana azy ireo tsy hanohana ny asa fanaovan-gazety tsy miankina any Singapaoro.
Any Torkia, mpitarika fivavahana manatevin-daharana ny antso hisian'ny sivana amin'ny tambajotra sosialy
Nanolo-kevitra ny fampiasana ny didy fakan-tahaka islamika ny filohan'ny Mpitantana ny Raharaha Fivavahana any Torkia,Ali Erbas, hifehezana ny sehatry ny tambajotra sosialy.
Vonona i Hong Kong handrava alohan'ny Fetim-pirenen'i Shina ny vavolombelona Tiananmen
Eo an-dalam-paharavana ny Hong Kong Alliance, vondrona mpanohitra mpikatroka, taorian'ny fisamborana ireo atidohan'ny mpikambana ao aminy, izay mbola mikiky ihany koa ny sisa tavela amin'ny demaokrasian'i Hong Kong.
Iza no manandratra ny fampihorohoroana: Mpianatra ao Hong Kong sa ny governemanta shinoa?
Nosamborin'ny polisin'i HK ny mpianatra oniversite efatra fa hoe 'miaro ny fampihorohoroana' amin'ny fisaonana fahafatesana mpanafika polisy iray. Mandritra izany fotoana izany i Shina hita miara-miasa amin'ny Taliban Afghan.
Vavahadin-tserasera aterineto ao Kambodza, mety hanamafy ny fanarahamaso sy ny sivana
"...ny fanarahamaso ataon'ny governemanta dia mamboly tontolo anjakan'ny tahotra, manosika ho amin'ny fanivanantena ary manohintohina mivantana ny fahafahan'ireo mpanao gazety sy mpiaro ny zon'olombelona tsy ho afaka hanao antsakany sy andavany ny asany."