Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Aogositra, 2019
Tsy nahomby taorian'ny valifatin'i doxxing ny fikasan'ny sehatra fifaneraserana mpomba an'i Shina izay nikendry ny hanenjika ireo mpanao fihetsiketsehana tany Hong Kong
Vetivety dia nanajanona ny tetikasan'izy ireo ny hitsongo dia ireo mpanao fihetsiketsehana hanoherana ny fanolorana olomeloka tao Hong Kong ireo mpikambana tao amin'ny sehatra fifaneraserana mpomba an'i Shina, taorian'ny nanabaribariana tao amin'ny Aterineto ny mombamomba azy manokana, izay ahitana ny laharan'ny karapanondro sy ny toebolan-dry zareo any amin'ny banky.
Niseho niserana tao amin'ny tranonkala voajirika an'ny governemantan'i Trinité sy Tobago i Guy Fawkes
Tranonkalan'ny governemanta ao Trinité sy Tobago maherin'ny ampolony no nolotoina tamin'ny fitrandrahana piraty izay heverina ho ilay fijirihana informatika lehibe indrindra tsy manampaharoa mbola tsy fahita hatramin'izay tao amin'ny firenena.
Togo : Nandresy ny fahalalahan’ny fampahalalam-baovao, saingy mitohy ny fifandonana

Faly tamin’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana tamin’ny fandàvana ny lalàna izay nametra ny fahalalahan’ny fampahalalam-baovao ireo mpanao gazety avy ao Togo, firenena iray any Afrika Andrefana.