Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Novambra, 2017
Maraoka: Nogadraina Ilay Mpankafy Barça Raha Nanoratra Hoe “Andriamanitra, Tanindrazana, Barça”
Maro ireo bilaogera no gaga raha nahafantatra fa voaheloka higadra 18 volana ny tanora Marokana iray noho ny heloka madinika. Ilay zatovolahy, mpankafy Barça, dia voalaza fa nanoratra hoe "Andriamanitra, Tanindrazana, Barça" teo amin'ny solaitrabe tao an-dakilasiny . Ny teny filamatra ao Maraoka dia hoe "Andriamanitra, Tanindrazana, Mpanjaka".
Afganistana: Vaovao Momba Ilay Voafonja Sayed Pervez Kambakhsh
Afaka nihaona tamin'ilay mpianatra ho mpanao gazety Sayed Pervez Kambakhsh izay nogadraina tao amin'ny fonjan'i Pul-e Charkhi i Nasim Fekrat, mpanao gazety Afgana tsy miankina iray.
Sidina Ambonin'ny Tontolon'ny Blaogy Irakiana
...mahaliana izay mitranga, sady manan-danja. Noho izany tsy maintsy resahako anareo.
Canada: Ireo Nanjavona Teny Amin'ny Lalàmben'ny Yellowhead
Nisarika ny saina tamin'ny lahatsary fanadihadiana Kanadiana izay mitantara ny fanjavonan'olona sy ny famonoana ireo vehivavy mihoatra ny dimy tao amin'ny foko Indiana tany Kanada tao anatin'ny ny telopolo taona farany ny vondrona vehivavy mpanatontosa sarimihetsika Women Make Movies.
Egypta: Navotsotra Rehefa Noferana Fa Tsy Hamahana Bilaogy Intsony Ilay Bilaogera
Nilaza tamin'ny gazety mpivoaka isan'andro Add-Dostour i Mohamed fa novotsoran'ny polisy izy rehefa nanaiky ny hanao sonia ny fanolorantena tsy hanavao intsony ny bilaoginy na ny kaontiny ao amin'ny Facebook, ary tsy hifandray intsony amin'ny ONG na ny mpanao gazety.
Hong Kong: Voarara Ilay Dokambarotra Halloween
Mikarakara fety ho an'ny Halloween mba hisarihana mpitsidika maro isan-taona ny Zaridaina Fitsangatsanganana Ocean Park any Hong Kong . Matetika anefa dia miatrika tsikera avy amin'ny vahoaka ny dokambarotra ho an'ity hetsika ity. Norarana ny sasantsasany tamin'ireo lahatsariny tamin'ity .........
Singapaoro, “Fampanantenana Poakaty” Ve Ny Fahalalahana Maneho Hevitra? Mitsangam-bolo Ireo Mpikatroka Taorian'ny Nisamboran'ny Polisy Ny Mpanakanto Iray Mpiaka-tsehatra
Eo ambanin'ny lalàna henjana momba ny filaminam-bahoaka ao Singapaoro, azo tazonina ho tomponandraikitra nandray anjara tamina fivoriana iray tsy ara-dalàna na olona tokana aza.
Sodaney Mpitsoa-ponenana, Voafonja Tao Isiraely Noho Ny Fananany Bisikleta
Tsy nanana faktioran'ny bisikiletany i (Babi) Ibrahim, mpanao hatsikana darforiana mpangataka fialokalofana, ary araka ny araka ny fahefàna omen'ny lalàna azy, azon'ny mpitandro ny filaminana nosamborina toy ny mpangalatra izy.
Shakib Khan, Mpilalao Sarimihetsika, Torian'ny Mpamily Tuk-Tuk Noho Ny Nampiasàna Ny Laharana Findainy Tao Anaty Sarimihetsika Iray
Antso 400 mahery no voarain'ilay mpamily tuk-tuk avy amin'ireo mpankafy nanantena ny hifampiresaka tamin'ilay mpilalao sarimihetsika. Nisy fiantraikany tamin'ny asa fitadiavany ireo antso ireo ary saika nandrava ny tokantranony mihitsy.
Egypta: Mpanefoefo Voarohirohy Ho Namono Vehivavy Mpihira Iray
Nosamborina noho ny famonoana ny tovovavy mpihira Libaney iray monina ao Dubai ny lehilahy mpandraharahana mpanefoefo Egyptiana iray. Ireto ny fanehoan-kevitr'ireo bilaogera Egyptiana momba ity raharaha ity.