Afaka manana sy mamaky ‘Fanny Hill’ ankehitriny ny Singapaoreana, saingy mbola voarara ny Playboy

Bishan library in Singapore. Photo from Flickr page of  Ellen Forsyth, CC License

Tranomboky Bishan ao Singapaoro. Sary avy amin'ny pejy Flickr an'i Ellen Forsyth, Lisansa CC

Nesorin'ny Media Development Authority (MDA) [Fahefam-Pampandrosoana ny Media] ao Singapaoro ny fandrarana boky sy gazetiboky 240 saingy mbola notazoniny kosa ny fandrarana fanafarana, fivarotana ary fampielezana famoahana 17 heverina ho mifanohitra amin'ny tombontsoam-bahoaka.

Nivoaka tamin'ny 25 novambra ny didy ary navoaka tao amin'ny vavahadin-tseraseran'ny governemanta. Nilaza ny MDA fa ny fanesorana ny fandrarana dia natao taorian'ny fizahana indray araka ny fanao ny fanapahan-kevitra fanasokajiana [boky aman-gazety] teo aloha “mba haharaka ny fenitra ara-piarahamonina misy”.

In de-gazetting these items, the Government has considered the prevailing content and community standards in Singapore. MDA assessed that a number of these de-gazetted publications are out-of-print or are permissible under today’s content standards.

Amin'ny fanesorana ny lafiny maha gazety ireto zavatra ireto, dia nanome lanja kokoa ny votoaty sy ny fenitra ara-piarahamonina ao Singapaoro ny governemanta. Nanombana ny MDA fa tsy natao pirinty intsony ireo famoahana nesorina ny maha gazety azy ireo na efa avelan'ny fenitra misy amin'izao fotoana izao.

Ny sasantsasany amin'ireo lohateny voarara teo aloha no tantara tsangana komonista, asa soratra famelivelezana nasionalista Malay ary tantaram-panairana filàn'ny nofo. Ohatra, voarara tamin'ny 1949 ny famoahana mivoaka isa-potoana manohitra ny fanjanahantany ‘Dravida Nadu’, nambara ho tsy ara-dalàna tamin'ny 1959 ny ‘Ilay Dia Lava sy Maharitra’, ary tafiditra ao anatin'ny boky voarara tamin'ny 1966 ny tantara ho an'olondehibe ‘Fanny Hill’.

Memoirs of a Woman of Pleasure, popularly known as Fanny Hill, is an erotic novel by John Cleland first published in 1748. Image from Wikipedia

Tsiaron'ilay Vehivavin'ny Fahafinaretana, fanta-bahoaka amin'ny hoe Fanny Hill, tantara foronina ho an'olondehibe nosoratan'i John Cleland nivoaka voalohany tamin'ny 1748. Sary avy amin'i Wikipedia

Tamil periodical Dravida Nadu. Image from Wikipedia

Famoahana Tamil mivoaka isa-potoana Dravida Nadu. Sary avy amin'i Wikipedia

Navoakan'i Singapaoro tamin'ny 1967 ny Lalànan'ny Famoaham-boky aman-gazety manelingelna, izay manameloka ny fananana na fisiana ao an-tokantrano ireo famoahana heverina ho vetaveta na mampididoza ny governemanta.

Ny fotoana farany nanesoran'ny governemanta fandrarana famoahana boky farany dia tamin'ny 2004 rehefa navelany ny fanaovana pirinty sy ny fampielezana ny gazetiboky hoan'ny vehivavy Cosmopolitan rehefa niharan'ny fandrarana nandritra ny 22 taona.

Ny sasantsasany amin'ireo ‘famoahana manelingelina’ izay azo afarana sy amidy ao Singapaoro amin'izao fotoana izao taorian'ny didin'ny MDA dia ahitana ilay nosoratan'i Henry Miller mitondra ny lohateny hoe ‘The World Of Sex’ [Ny Tontolon'ny Fananahana], ny gazetiboky Vaovaon'ny Mpianatra Manerantany, ny gazety nasionalista Malay ‘Nusa Dan Bangsa Melaju’, ary ny tantaram-panairana filàn'ny nofo  ‘Loose Women Of Wealthy Families’ [Ireo vehivavy janga ao amin'ny fianakavian'ny mpanankarena].

Etsy ankilany dia mbola nohamafisin'ny MDA ny fandrarana famoahana miisa 17 fa mifanipaka amin'ny fitondra-tenam-bahoaka sy ny tombontsoam-pirenena. Gazetiboky ‘vetaveta ankitsirano’ ny ankamaroan'izy ireo tahaka ny Penthouse, Hustler, ary ny Playboy. Saingy mbola nampidirin'ny governemanta aho ihany koa ny boky aman-gazetin'ny Fikambanan'ny Mandan'ny Vavolombelon'i Jehovah sy ny Fikambana Iraisampirenen'ny Mpiara-Mandinika ny Baiboly, izay samy ao amin'ny Vavolombelon'i Jehovah, vondrona tsy manaiky ny mpikambana ao aminy hanao fanompoam-pirenena. Ny fandrarana ireo boky aman-gazetin'ny Vavolombelon'i Jehovah voalohany dia nivoaka tamin'ny 1994.

Tsy dia misy fiantraikany amin'ny indostrian'ny famoaham-boky aman-gazety loatra ny didy navoakan'ny MDA satria tsy mivoaka pirinty intsony na efa tsy malaza intsony ny ankamaroan'ireo lohateny voarara ireo. Na izany aza, dia fampahatsiahivana io fa mampihatra fepetra henjana amin'ny media izay heverin'ny maro ho mamparefo ny fahalalaham-pitenenan'ny vahoaka i Singapaoro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.