Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Oktobra, 2021
Filma raràn'i Hong Kong noho ny filaminam-pirenena ary voasazy izay mandefa izany tsy nahazoana alalana
Mety ho afa-miditra amin'ny toerana iray tsy manana taratasy fandidiana avy amin'ny fitsarana ihany koa ny inspektera iray nomen'ny sampan-draharahan'ny fanaovana sivana alalana raha miezaka ry zareo hampiato ny fijerena filma iray na ny famoahana raha toa "ka tsy azo tanterahana ara-pratika" ny fahazoana didy an-taratasy.
Voahazona amin'ny resaka fifindra-monina ao Jamaika ilay olona voalohany ahiahiana ho namono ny filoham-pirenena Haisiana
Mbola ho fantatra ny antsipirihany, saingy voasambotra tao Jamaika ny ahiahiana, teratany Kolombiana Mario Palacios Palacios ary nogadraina amin'ny fiampangana ara-pifindra-monina.
An'arivony mivory ao Tbilisi mitaky ny hanafahana ilay filoha teo aloha nogadraina
Ao an-drenivohitra Tbilisi, Georgia, mponina an'arivony no mivory eo amin'ny kianja afovoany tamin'ny 14 Oktobra, ho fanohanana ny filoha teo aloha Mikheil Saakashvili, izay tao anatin'ny faha-14 andro nanaovany fitokonana tsy hanendry hanina ao am-ponja.
Nampahafantarin'ilay tanora mpikatroka Azerbaijaney ampahibemaso ny heloka bevava nihatra taminy ary mbola mandehandeha ny nahavanon-doza
Na dia naseho aza ny porofon'ny heloka, mbola mandehandeha ny nahavanon-doza, araka ny kaonty manokana navoakan'ilay mpikatroka Sanay Yaghmur ao amin'ny Facebook.
Aferam-pasipaorom-bakisiny sandoka tratra tao Armenia
Tombanan'ireo manampahefana fa olona maherin'ny 700 no nividy ireo taratasim-bakisiny sandoka tao Gyumri — tanàna faharoa lehibe indrindra ao Armenia.
Tatitra vaovao momba ny fironan'ny fahalalahan'ny aterineto manerantany any Torkia sy Kaokazy atsimo
Raha "misy fahalalahana" ny laharana misy an'i Zeorzia sy i Armenia tamin'ny tatitra tamin'ity taona ity, i Torkia sy i Azerbaijan kosa dia mitana ny laharana "tsy misy fahalalahana" noho ny rivo-piainana sarotra manodidina ny zo nomerika (ankihy) sy ny fahalalahana.
Nipoitra indray ilay Shinoa zatra manoratra rehefa nohazonina manokana noho ny nitaterany ny resaka COVID
Niverina ilay shinoa zatra manoratra Chen Qiushi. Saingy mbola tsy hita ireo olom-pirenena hafa zatra manoratra nitatitra momba ny valan'aretina COVID-19 tany Shina. Anisan'izany i Zhang Zhan voaheloka higadra efa-taona.
Ao Torkia, olompirenena iray migadra noho ny fanompana ny filoham-pirenena
Hatramin'ny naha-voafidy azy ho filoha tamin'ny taona 2014, manodidina ny "100.000 ny olona voampanga ho manaratsy ny filoha," sy manitsakitsaka ny andininy faha-299 amin'ny fehezan-dalàna famaizana
Fifandirana ara-bola momba ny trano fonenana, fifampitifirana nahafatesana olona dimy tao Kazakhstan
Namoahan'ny fitsaràna didy ny handroahana ankohonana kazhak iray tsy nahavita nandoa ny trosany tamin'ny banky. Notifirin'ilay raim-pianakaviana ireo manampahefana notendrena hampihatra ilay fanesorana.