Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Aogositra, 2014
Mpamono Ilay Mpiaro Ny Zon'ny Indiana “Tsy Azo Atonina” Miriaria Malalaka
"Dory ! Foano ny momba azy"- hoy ny fitabataban'ny mpamono an'i Sanjay Khobragade ilay Mpiaro ny zon'ny Dalita avy any Maharashtra, India. Iray amin'ireo Dalita marobe niharan'ny habibiana.
Olona Sivy Mpanohitra Ara-politika: Nesorina Ny Fizakàny Ny Zom-Pireneny Tao Bahrain
Nisy anabavin'ny lehilahy iray nanambara fa nampijaliana ny anadahiny talohan'ny nivoahan'ny didy milaza ny sazy ho efainy. Nahatsapa ny fikambanana manokana iray fa efa nisy tany aloha ny fampijaliana sy ny famonoana ireo mpanohitra ny fanjakàna tao Bahrain.
Tsy Manadino Mihitsy Ny Aterineto: Araho Ny Resadresaka Eran-tany Momba Ny ‘Zo Hohadinoina’ An'ny Vondrona Eorôpeana
Raha nampiharina tao amin'ny firenenao ny 'zo hohadinoina', mety handrahona ny tombotsoam-bahoaka ve izany? Manontany ny hevitr'ireo manam-pahaizana maneran-tany momba io olana io ireo tonian-dahatsoratry ny Global Voices.
Tsy Manome Lanja Ny bilaogera Ny Rosiana Izay Vao Avy Nankatò Ny Lalàna Mifehy Ny Bilaogera
Tsy mahafantatra ny fisian'ny lalàna vaovao hoan'ny bilaogera ny ankamaroan'ny Rosiana, ary mihevitra ireo izay tsy mahafantatra izany fa mety ho zavatra tsara izany araka ny fitsapana hevitr'olona natao vao haingana.
Pitsopitsony Ara-Teknika No Nentin'ny Fitsarana Ao Oganda Nanafoanana Ny Lalàna Mandrara Ny Fiarahan'ny Lahy Samy Lahy Ary Ny Vavy Samy Vavy.
Nihoby ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana ny vondrom-piarahamonin’ny LGBT, tamin’ny alalàn’ny mediam-bahoaka, na mbola mijanona ho heloka ihany aza ny fiarahan’ny lahy samy lahy ary ny vavy samy vavy any Oganda.
‘Iza No Hiaro Ny Mpiaro’ Fanontanian'ny Maro io Raha Mbola Mikaroka Mpamono Olona Ny Miaramila Tao Trinidad & Tobago
Nampangaina ho tsy nanaja lalàna ny tafik'i Trinidad sy Tobago tamin'ny fitadiavana ilay namono miaramila. Tsy voalohany ny manampahefana ao no mitandro ny filaminana amin'ny fomba rehetra.
Hanomboka Hanakatona Ireo Habaka Eo Noho Eo Ve i Rosia ?
Manoloana ny fametrahan'ny Roskomnadzor lisitra mainty, eo koa ny fisoratan'ny blaogera anarana [mg] ary ny fanakanana kaonty Twitter [mg] tsy mila fanamarinana mazava ao amin'ny tontolon'ny RuNet, dia te-hampiditra sivana mandeha hoazy eo ho eo koa i Rosia ankehitriny izay hahafahana manakatona ireo habaka ahitana "votoaty mampidi-doza".
Nanadino Tenimiafina? Aza Manahy, Manana i Kremlin.
Manasa ireo bilaogera ny governemanta Rosiana mba hizara izay zavatra fantatry ny mpisera anaty aterineto tsirairay avy fa tsy fampahafantatra olon-kafa velively: ny fidirany sy ny tenimiafin-dry zareo.
Tsy Mila Ny Uber (tolotra-taxi) Intsony i Seoul, Saingy Mbola Aza Apetraka Ny Findainao
Noraràn'i Seoul ny Uber ary mikasa hamoaka ny fampiharana finday azy manokana hoan'ny tolotra-taxi i Seoul. Iza no mahazo tombony amin'izao fanovana izao?