· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Oktobra, 2018

Japana: Noana Ao Amin'ny Tany Tondra-dronono

Nanainga ny blaogera japoney maro hieritreritra mikasika ny fiantraikan'ny politikan'ny fiahiana ara-tsosialy ao amin'ny fireneny ny tantara vao haingana mikasika ny lehilahy iray matin'ny hanoanana [Ja] noho ny tsy nahazoany ny fanampiana ara-tsosialy, izay lasa nalaza noho ny niraketany tao anaty diary ny andro farany niainany. Vakio ato ny sasany amin'ny hevitr'izy ireo mikasika izany olana izany.

29 Oktobra 2018

Ejipta: Toko Farany Taminà Raharaha Fampijaliana

Taorian'ny volana maro niandrasana sy ireo sahoan-dresaka, azo ihany ny rariny tao anatina tantara Ejiptiana izay nisy mpamily iray voalely am-body sy nampijalian'ny polisy - izay naka an-dahatsary ny heloka bevavan'izy ireo mba hanalàna baraka kokoa ny olona nampijaliany. (Fanamarihana avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: miala tsiny amin'izay tohina amin'ilay teny somary mivantambantana etsy ambony fa tsy hita izay teny malagasy mahalaza azy manokana, ka dia ny famaritana avy hatrany no natolotra anao mpamaky). Mitondra amintsika ny vaovao farany avy amin'ny tontolon'ny blaogy Ejiptiana mikasika ilay raharaha i Eman Abd Al Rahman.

28 Oktobra 2018

Ny Tontolon'ny Blaogy Siriàna Tanatin'ny Herinandro-2

(2006) Nanao dingana lehibe iray ny tontolon'ny blaogy Siriàna tamin'ity herinandro ity, tamin'ny fanolorana ny Syria Planet. Vavahady voalohany anaty aterineto natokana ho an'ireo Siriàna rehetra mpitoraka blaogy. Namporisihin'ny firoboroboan'ny bilaogy, vavolombelon'izany i Siria tamin'ny taona lasa (2005)

23 Oktobra 2018

Ry GV, ny vaovaon'ny iSummit

Ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices, Renata Avila, dia nandefa ity karatra paositaly bilaogy ity avy amin'ny iSummit tany Kroasia, izay nampifandray ny vondrom-piarahamonina manerantany, miara-miasa mba hananganana ny vondrom-piarahamonin'ny fahafahana - mba hamoronana, mba ho ampiasana , mba hizarana."

18 Oktobra 2018