Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jona, 2023
Mpanao gazety avy amin'ny KRIK Serba, voaheloka noho ny fanakianana ireo fitoriana SLAPP anenjehana ilay trano mpamoaka vaovao
"Asehon'ity didim-pitsarana ity mazava fa nanjary fitaovana lehibe ho an'ny fitondrana ny SLAPP mba hanakatonany ireo haino aman-jery tsy miankina vitsivitsy sisa tavela", hoy ny nambaran'i Stevan Dojčinović, lehiben'ny Tonian-dahatsoratra ao amin'ny KRIK, famoaham-baovaom-panadihadiana Serba.
#StandWithBach: Ho fanohanana ilay mpisolovava ara-tontolo iainana manao fitokonana tsy hihinan-kanina ao Vietnam
Nohazonina hatramin'ny jona 2021 ilay Vietnamiana mpahay lalàna Dang Dinh Bach ary manefa ny saziny ho mandositra hetra taorian'ny nitsikerany ny politika ara-tontolo iainan'ny governemanta.
‘Teto i Telman': tantaram-piainan'ilay lehilahy Azerbaijani nitady fiainana tsaratsara kokoa
Tamin'ny faha-50 taonany, nandany ny androny nandehandeha teny an-dalamben'i Bakou nitety ny daba-pako rehetra hitany i Telman, nanangona zavatra azo averina ahodina, sakafo, ary nanonofy fiainana tsaratsara kokoa.
Tatitra Unfreedom Monitor : Kenya
Efa anaty tatitra iray izao ny valim-pikarohan'ny Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika ao Kenya. Vakio ny tsonga iray dia trohy ny pdf manontolo momba izany
Tatitra Unfreedom Monitor: Kabary
Vita tatitra ankehitriny ny fikarohan'ny Advox momba ny fahalalaham-pitenenana. Vakio ny tsonga ary trohy ny tatitra manontolo.