Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Mey, 2022
Zeorzia: Mpanao gazety ela nihetezana voaheloka higadra 3,5 taona
Tamin'ny taona 2020 i Gvaramia no voampanga voalohany noho ny fanararaotam-pahefana, ny kolikoly ara-barotra, ny fisolokiana antontan-taratasy ary ny fanodinkodinana fananana tao amin'ny Rustavi 2. Tsy meloka izy tamin'ireo fiampangana miisa telo farany ireo.
Nivarina avy amin'ny “Mahafa-po” nankany amin'ny ‘Manahirana’ ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Hong Kong tao anatin'ny taona vitsivitsy
Nidina ambany ny laharan'i Hong Kong noho ny fampiharana ny lalàna momba ny fiarovam-pirenena sy ny fanenjehana ireo mpanao gazety.
Angola: Tandindomin-doza ny fikatrohana amin'ny taom-pifidianana
Nosamborina tsy nanan-jo hiaro tena araka ny voalazan'ny lalàna ireo mpanao fihetsiketsehana. Nentina teny amin’ny fitsarana andro vitsivitsy taorian’izay ireo mpikatroka miisa 22 ary notsaraina vetivety.
Pakistàna: Very toerana 12 tao anatin'ny Fandaharana Erantany 2022 momba ny Fahalalahan'ny asa fanaovana gazety
Tatitra iray avy amin'ny fikambanana pakistaney mpiaro zo "Freedom Network" no nampahafantatra fa iharan'ny herisetra, fanenjehana ara-pitsaràna, fakàna an-kery, fitazonana am-ponja ary fandrahonana ireo mpanao gazety any an-toerana, indrindra fa avy amin'ireo mpisehatra ao anatin'ny fitondrana.
Mbola mitohy mamely an'i Papouasie-Nouvelle-Guinée ny herisetra mifandraika amin'ny fiampangana famosaviana
Tsy nisy asa soratra ara-pianara-mahaolona (antrôpôlôjia) nahitako firesahana zava-mampihoron-koditra toy izany. Tsy anisan'ny razamben'ny PNG izany satria fiarahamonina tia miahy kokoa isika.
Mpanoratra Malayziana iray miatrika fanadihadiana noho ny fanevatevana tao amin'ny ranty Facebook
"Manasongadina ny fetran'ny fahalalaham-pitenenana ao Malezia momba ny olana toy ny fivavahana ny fisamborana an'i Uthaya Sankar SB noho ny lahatsorany tao amin'ny tambajotra sosialy."