Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Aogositra, 2012
Tonizia: Miatrika Fitsarana Miaramila Ny Mpanolotsaina Fahinin'ny Filoha Noho Ny Fanakianan'ny Tafika
Niatrika fitsarana miaramila i Ayoub Massoudi, mpanolotsaina fahiny ny Filoha Toniziana Moncef Marzouki, noho ny fanambaràny momba ny Praiminisitra Libiana teo aloha, Baghdadi Mahmoudi (fony Gaddafi). Nolazainy fa "famadihana ny Fanjakana" ilay fampodiana.
Costa Rica: “Voaolana Aho, Hadisoako Ve Satria Nivoaka Alina?”
Tamin'ny hery sy fahasahiana, no nanoratan'i SophiadelSol bilaogeran'ny Love Fashion & Vintage ny fakàna an-keriny taminà fiara nanjo azy vao haingana, fangalarana sy fanolanana raha nivoaka alina niaraka tamin'ny sipany izy. Ao amin'ny fiaraha-monina izay miampanga ireo niharam-boina ho manolotra ny tenany ho amin'ny loza, halatra ary ireo zavatra hafa mety hiseho, mijoro misolo tena ireo niharam-boina ireo izy ary mametraka ny hadisoana amin'ny fiaraha-monina izay mamela ireny zavatra ireny hitranga.
Hong Kong: Voahenjika Ho Nanala-baraka Ny Google

Albert Yeung Sau-shing, ilay lehiben'ny Vondron'ny Mpanjaka any Hong Kong dia manenjika ny Google Inc noho ny fanalàm-baraka..Efa nanaisotra fara-faharatsiny lahatsoratra telo tafiditra tanatin'ny lisitr'ireo voalaza fa manala baraka tsy ho ao anatin'ny fikarohana ny Google Google (google.com.hk). Amin'izao fotoana izao rehefa mikaroka ny anarana Albert Yeung Sau Shing isika, misy fanamarihana mipoitra ao anatin'ny vokatry ny fikarohana
Rosia : Miala Any Ny “Pussy Riot” & Ny Fitsarana Ao Rosia

Ny 2 Aogositra, efatra andro talohan'ny fitsarana ny Pussy Riot , dia nisy fiakarana fitsarana hafa indray tao Yekaterinburg, ilay foibem-paritry ny Urals. Tsy tahaka iry namany malaza be, tsy dia nahasarika loatra ny sain'ny olona ity fitsarana ity, na tanaty aterineto izany, na teny anaty fampahalalam-baovao, noho ny fahitana azy ho toy ny mari-pamantarana fotsiny ny tsy fetezana eo amin'ny fitondrana ny lalàna sy ny filaminana ao Rosia.
Malezia: Nampanantena Ny Hijery Ny Lalàna Momba Ny Sivana Amin'ny Tranonkala Ny Governemanta Taorian'ny Fanoherana
Ho valin'ny fanadinoana ny fanoherana nokarakarain'ny mpampiasa aterineto, dia nanpanantena ny hijery ilay tovana mampifanolana amin'ny lalàna izay lazain'ny tsikera fa mametra ny fahalalahan'ny aterineto ao amin'ny firenena ny governemanta Maleziana.
Shina: Fihazàna Ivelan'ny Fari-piadidiana Mahazo Mpanao Gazety Iray Mpanadihady
"Navoakako ny taratasy ofisialy avy amin'ny polisin'ny fileovana ao Jiansu Funing izay manendry mpanao heloka bevava 61 ao anatin'ny asam-panjakana" - .Zhou Xiaoyun, mpanao gazety mpanadihady, dia karohin'ny manampahefana taorian'ny namoahany tranganà kolikoly goavana iray
Afghanistan : Hatezerana Sy Hetsi-Panoherana Fa Mitarazoka Ny Raharaha Shakila
Mpianatry ny anjerimanontolo sy mpiaro ny zon'ny vehivavy am-polony no nidina an-dalamben’ i Kaboul hanohitra ny fitarazohan'ny fanadihadiana mahakasika ny nanjo an'i Shakila, Tovovavy 16 taona izay voaolana avy eo novonoina ny taon-dasa teo...
Rosia : Resaka nifanaovana tamin’i Jesse Heath, mpanoratra ny bilaogy The Russia Monitor

Ny bilaoginy The Russia Monitor izay mandinika ny fironana vaovao eo amin’ny toe-karena, politika ary ny fanao ao amin'ny fanaovan-dalàna Rosiana. Ny fomba filazany ny lafiny ara-teknika ireo toe-javatra sahanina no...