Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jolay, 2011
Belarosia : Ny Atsinanana sy Ny Andrefana, Dia Tsy Misy Na Inona Na Inona Eo Anelanelany ?
"Ny Atsinanana dia Atsinanana ary ny Andrefana dia Andrefana, ary tsy hifanena na oviana na oviana ireo." Io andian-tononkalon'i Kipling io dia toa mampiseho ny zava-misy marina ho an'ny sarambabem-bahoaka ao Belarosia, izay, mifoha anaty tontolo tsy mahalala fomba sy mahery setra, manontany hoe : "Iza no mba miraharaha an'i Belarosia?"
Arabia Saodita: Lalàna Vaovao Enti-manohitra ny Fampihorohoroana Hamotehana ny Fihetsiketsehana
Andro vitsivitsy lasa izay, nasehon'ny Amnesty International ilay volavolan-dalàna Saodiana tafavoaka mikasika ny Lalàna vaovao enti-miady amin'ny fampihorohoroana, nofaritan'ny fikambanana tao anatin'ny fanambarana nataony fa toy ny “lalàna manome alalana ny fitondrana hangenja ny mpanao...
Serbia: Fanehoan-kevitra Voalohany Momba Ny Fanafahana Madiodio An'i Sandor Kepiro
Ny Alatsinainy 18 Jolay 2011, nafahan'ny fitsarana iray ao Bodapesta i Sandor Kepiro, kapitenin'ny polisy Hôngroa tamin'ny ady lehibe faharoa izay nanao raharaha miaramila tany Serbia teo ambany fibodoana sy, izay tsy voa ela akory, “anisan'ny Nazy nokarohina fatratra.” Nampangaina ho nanao heloka bevava tamin'ireo Serba, Jiosy ary Romana nandritra ny Novi Sad izy - fandripahana nataon'i Hôngroa ny volana Janoary 1942.
Indonezia: nahatezitra ny olona ny fahafatesan'ilay mpiasa an-trano tany Arabia Saodita
Naneho ny heviny am-pahavitrihana ireo Indoneziana raha nahare fa notapahan-doha tany Arabia Saodita tamin'ny volana lasa teo i Ruyati, 54 taona, mpiasa mila ravinahitra teratany avy any Java andrefana. Voaheloka...
TED Talk avy amin'ny mpiara-manorina ny Global Voices Rtoa Rebecca MacKinnon
Niteny ny mpiara-manorina ny Global Voices Rebecca MacKinnon fa tokony hanorina orinasa tompon'andraikitra hahatonga ny aterineto hivelatra mankamin'ny fomban’ “olom-pirenena” ny olo-tsotra. Nandritra ny TED talk tamin'ny 12 Jolay 2011 tany Edinburgh, Ekaosy...
Shina: Mpisolovava Manohana Kandidà Noraràna Tsy Hilatsaka Ho Fidiana
Mitaha amin'ireo olona marobe milaza ny filatsahany ho fidianana tamin'ity taona ity ho fidiana ao amin'ny Antenimieram-bahoaka, ho tantara iray izay mbola tena misarika ny sain'ny maro ny an'i Liu Ping ao Jiangxi , izay nilahatra tamin'ireo kandidà roa hafa , saingy tsy navela hilatsaka tamin'ny fifidianam-paritra
Gresy: “Niteraka ny Demokrasia Isika, Dia Navonointsika!”
Mandinika ireo tweet momba ny hetsi-panoherana tany Athens, Gresy tamin'ny herinandro lasa teo sy ny valin-kafatra mahery setra nataon'ny mpitandro filaminana teny an-toerana i Jasmina Babice.
Okraina: ny tantara ratsin'i Yula Tymoshenko
Nanomboka tamin'ny faran'ny volana jona teo tany Kiev renivohitra ny fitsarana ny praiminisitra taloha tany Okraina, Yula Tymoshenko, izay mpitarika ny hetsika vonimboasary, noho ny fanararaotam-pahefana. Araka ny nambaran'ny mpanao famotorana, nanampatra...
Makedonia: Fijery ivelan'ny firenena mikasika ny hetsika fanoherana ny herisetra ataon'ny polisy
Manoratra mikasika ny fomba fahitan'ny olona avy any ivelany ny fanoherana atao amin'ny herisetra ataon'ny polisy any Masedonia i Filip Stojanovski .
Ejipta: Fahatsiarovana ny Tolona Manohitra ny (rafitra) Fampijaliana
Raha manamarika ny andro iraisam-pirenena manohitra ny Fampijaliana izay nitontona ny 26 jona teo izao tontolo izao, dia nitodika tao Ejipta avokoa ny maso, satria misy dikany manokana ho an'ny olona...